Nisongadina indray ny ekipam-pirenena malagasy, nandritra ny fifaninanana Rugby, « Africa Seven’s », izay notanterahina tany Maurice, ny sabotsy sy ny alahady lasa teo. Laharana faharoa ny Malagasy, resin’i Afrika Atsimo, 28 no ho 12, tany amin’ny famaranana.
Tafita any amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, ny taranja Rugby, lalaovin’olona fito, ny Makis Sevens. Nandrombaka ny medaly volafotsin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, “Africa Seven’s”, izay notontosaina tany Maurice izy ireo, omaly. Niondrika teo anatrehan’i Afrika Atsimo, tamin’ny isa 28 no ho 12, ny ekipa nasionaly malagasy. Tamin’ireo lalao enina nataon’ny Makis, resy indroa fotsiny izy ireo ary fahombiazana hatrany no azo. Raha teo amin’ny fifanintsanana isam-bondrona, resin’ny Makis, 39 no ho 7, i Maurice, mpampiatrano. Taorian’io, mbola nitohy ihany ny fahombiazana ho an’i Madagasikara, nandresy an’i Tunisie, 31 no ho 7. Teo amin’ny lalao fahatelo, niondrika teo anatrehan’i Zimbabwe, 21, no ho, 7, ny ekipa nentin’ny mpanazatran’ny Makis, Mboazafy Noe na Razily. Nandritra ny ampahefa-dalana, nisongadina ny Makis, nahintsan’izy ireo tamin’ny isa mavesatra, 31 no ho 12, i Zambie. Tao amin’ny manasa-dalana, nahiliky ny Makis, 14 no ho 10, i Kenya. Azo lazaina fa tsara ihany ny vokatra ho an’ny Malagasy. Tsara ny mampatsiahy fa tamin’ny taona lasa, teo amin’ny laharana fahatelo no nisy azy ireo. Fanamby iray izany sisa no miandry ny Makis, rehefa fifaninanana tahaka izao, dia ny handresy an’i Afrika Atsimo, sy i Zimbabwe.
F. R




