Nanavotra ny namany: lehilahy iray hita faty tao anaty ranon’Ikopa Tanjombato

Hita faty tao amin’ny ranon’Ikopa Tanjombato ny tovolahy iray, ny sabotsy teo. Nanavotra ny vehivavy iray
voalaza fa latsaka tao anaty rano izy ka tsy tafaverina intsony.

Lehilahy iray 21 taona hita faty tao anaty ranon’ Ikopa, tetsy Tanjombato, ny sabotsy tamin’ny 7 ora maraina teo. Tonga naka sy nampiakatra ny razana ny sampana mpamonjy voina rehefa nahazo antso mahakasika ny tranga. Nanavotra ilay vehivavy namany latsaka tao anaty rano izy ny harivan’ny zoma ka tsy niverina intsony, raha ny fanazavan’ny havany. Olona enina mianadahy izy ireo no niaraka nandeha an-tongotra, hihazo fodiana. Latsaka avy eny amin’ny sisin’ny tetezann’i Tanjombato anefa ny vehivavy iray, tamin’izy ireo. Nahita izany ity tovolahy maty ity ka nitsoraka tao anatin’ny rano avy hatrany, mba hanavotra io vehivavy io. Nambaran’ny havany fa tsy mahay nilomano izy io fa tia namana loatra ka antony nanaovany izao. Tonga nampilaza ny zava-nitranga tany amin’ny fianakavian’ny niharam-boina ireo namana niaraka taminy adiny iray taorian’ny tranga. Tsy niandry ela fa nankeny amin’ny tetezana hijery ny zanany ny ray aman-dreny sy ny fianakaviany ny maraina. Nalefa eny anivon’ny fianakaviana moa ny razana taorian’ny fampiakarana azy an-tanety.

Manahy zavatra hafa ny fianakaviana
Manahy ho zavatra hafa ny antony nahafaty io zanany io ny fianakavian’ny maty. Nisy tamin’ireo namany no nanao vava tamin’io tovolahy maty io talohan’ny fotoana nanavotany io vehivavy latsaka tanaty rano io, raha ny fanazavana voaray. Tsy latsaka tao anaty rano ilay vehivavy fa niafina tao ambadiky ny tetezana, raha ny fanazavan’ny olona nanatri-maso. Ni­hevitra fa latsaka anefa ity tovolahy ity ka nitsoraka nanavotra azy avy hatrany.
«Noho ny fahambangan’ny arofanina eny amin’ny tetezana no tena antony mahatonga ny olona latsaka any anaty rano», hoy ny sefo fokontany Ankeniheny Tan­jom­bato, Jean Noel. Miantso ny hanamboarana ny arofanina eo amin’ny tetezana io, araka izany, ny tomponandraikitra eny an-toerana. Marihina fa olona roa no maty latsaka tao anatin’io ranon’Ikopa eny Tanjombato io tato anatin’ity volana ity.

Mino

Partager sur: