Maty tsy tra-drano ny mpitondra moto scooter iray tra-doza teny Anosiavaratra, ny harivan’ny alahady teo, tamin’ny 6 ora sy sasany. Nentina namonjy hopitaly ny namany.
Namoy ny ainy teo no ho eo ny mpitondra moto scooter marika “Glide” niloko mena, teny amin’ny lalam-pirenena fahatelo, teo Anosiavaratra, distrikan’Avaradrano, afakomaly. Nandeha mafy avy any amin’ny lalan’i Sabotsy Namehana, nikasa hianavaratra io mpitondra moto io. Nifatratra tampoka tamin’ny fiara ireto farany. Marihina fa nanao taingin-droa izy ireo. Niara-nipitika ireo olona ireo saingy voa mafy ilay nitondra. Vaky loha izy ka maty teo no ho eo. Potika tanteraka ny moto nentiny ary tavela teo afovoan’ny arabe tamin’ny fotoan’ny loza. Nosokirina tao ambanin’ny fiara ny niharan-doza. Nentina namonjy hopitaly nanaraka fitsaboana ny olona iray hafa naratra. Niatrana teny an-toerana nanao ny fanadihadiana momba io tranga io ny tomponadraikitry ny mpitandro filaminana eo Avaradrano.
Olona efatra maty
Nianjeran’ny kamiao, mpanosika kalesa fitanterana entana miisa efa-dahy niara-maty nandritra ny lozam-pifamoivoizana teny amin’ny RN7 tsy lavitra an’Ambalakely, distrikan’i Lalangina, omaly maraina. Tsy nisy hisatra tampoka ilay kamiao ka nifatratra avy hatrany tamin’ireo mpanosika kalesa rehefa tafavoaka ny lalana. Voahitsaka sy voatsindry ireo efa-dahy ka samy namoy ny ainy avokoa.
Tsiferana R.




