May kilan’ny afo ny trano lehibe fitoerana entan’ny mpamongady friperie iray etsy Anosizato Atsinanana II, afakomaly alina tamin’ny 11 ora latsaka fahefany. May kilan’ny afo tao ny entana rehetra sy fiara telo teo an-tokotany. Nahitana fiara fitateran’entana sy fiara taxi-be ary fiara kely an’olon-tsotra naka niantsona tao. Tsy mbola maty ny afo hatramin’ny omaly hariva. Mifarimbona mamono afo eny an-toerana ny avy amin’ny sampana mpamonjy voina. Fiara “citerne” dimy nahetsika hanatanteraka izany. Nanampy azy ireo ny fokonolona sy ireo manana trano manodidina io trano nirehitra io. Tsy mbola fantatra mazava ny tena anton’ny loza. Raha ny fanazavana voaray tamin’ny nanatri-maso, tao amin’ny trano fitoeran’
entana havia manakaiky ny arabe no niandohan’ny afo. Niparitaka haingana be izany noho ny hamaroan’ireo lamba tao anaty trano. Heverina ho afo tsy voafehy nampiasain’ireo mpatory an-dalana teo amin’ny arabe ny mety ho antony nahatonga ny firehetana, raha ny fanazavan’ny olona manodidina. Tonga teny an-toerana nanao ny fanadihadiana ny polisim-pirenena sy ny zandary.
Mino




