Hotanterahina etsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny 28 – 30 jona ho avy izao, ny andiany voalohany amin’ny “Salon national des sports”. Hetsika tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny fanatanjahantena. Nohazavain’ny tomponandraikitra teny Andraharo, omaly, fa tanjona ny hanentanana ny daholobe hanao fanatanjahantena. Eo koa ny ady amin’ny tsy fitoviana, ny hakamoana sy ny herisetra ary ny fiankinandoha. Fampiraisana ny mpisehatra tsy ankanavaka sy ny fikambanana. Maro loko ny zavatra hanamarihina izany, mandritra ny hateloana, ka handray anjara avokoa ireo federasionina misy, ny fikambanana ara-panatanjahantena, ny klioba sy ireo orinasa. Hisy ny tranoheva hanehoan’ireo federasionina ny taranja sahaniny miaraka amin’ny fanehoana talenta. Ankoatra izay, afaka manao andrana amin’
izay mahaliana azy ireo mpitsidika. Eo koa ny fihaonana mivantana amin’ireo atleta efa nisalotra ny ho tompondaka maneran-tany sy afrikanina ary ireo nitondra avo ny lazan’i Madagasikara tamin’ny sehatra iraisam-pirenena. Anisan’ ny hampiavaka ny hetsika ny “Urban Trail” miainga eo Ankorondrano, hifarana eo Mahamasina ary faranana amin’ny fanaovana Zumba. Hanampiana ny ady amin’ny lefakozatra ny vola voaangona amin’izany. Mpikarakara ny minisiteran’ny Fanatanjahantena, mpanohana kosa ny Yas sy ny NC Agency.
Tompondaka




