Ahina ho namono nahafaty ny zanaka naterany vao amam-bolana monja, notanan’ny zandary ny renim-pianakaviana, teny Andoharanofotsy, afakomaly.
Nosamborin’ny zandary ny renim-pianakaviana ahina ho namono nahafaty an-janany lahy vao roa volana monja tao amin’ny fokontany Soarindra, fokontany Morarano, kaominina Andoharanofotsy, ny 22 jona teo. Olon-tsotra teny amin’ny manodidina no nahita zaza mifono lamba tao anatin’ny trano rava. Nojeren’izy ireo, tsy nisy aina intsony io zazalahy io. Niantso ny tomponandraikitry ny fokontany sy ny zandarimaria miasa ao an-toerana ny nanatri-maso. Akanjo mafana tsara miloko manga ambony ambany no nampanaovin-dreniny ilay zaza. Nofonosany bodofotsy ity farany. Nataon’ny mpitsabo fizahana, voamarina ho namoy ny ainy ora dimy mialoha ny nahitana ny vatana mangatsiakany io zazalahy io. Nahitana faritra mangana rahateo ny kibony.
Nisy nanara-maso
Nanokatra fanadihadiana avy hatrany ny zandarimaria miasa ao amin’ny tobim-
paritra Andoharanofotsy. Nanao ny angom-baovao rehetra namantarana ny olona nahavanon-doza nahavita nanary zanaka anatin’
ny trano rava izay efa ataon’ ny olona fanariana fako. “Ramatoa iray no nisy nahita nitondra zavatra nifonofono niditra tao amin’io trano rava io”, araka ny tatitry ny mpitandro filaminana. Natao ny fikarohana ka voasambotra afakomaly io renim-pianakaviana io. Ahina ho novonoiny ity zanany izay hita faty ity.
Tsiferana R.




