Ambohidratrimo: jiolahy valo tratry ny zandary

Jiolahy valo voasambotry ny zandary avy any Ambohi­dratrimo, afakomaly tamin’ny 9 ora alina. Nikasa hanafika toeram-panaovana filanonana iray tany Ambatobe izy ireo tamin’io fotoana io. Saingy tratran’ny zandary rehefa nanaovana paikady ahafahana misambotra azy ireo. Nifanao fotoana tamin’ny trano iray ireo tovolahy, mpanao asa ratsy sy mikambana ao anatin’
ny fikambanan-jiolahy. Nizarana ny andraikitry ny tsirairay avy. Fotoana nifohana ody faty sy hisotroana jus de risque ary hanaovana velirano. Nandritra izany fotoana izany no tonga
teo amin’izy ireo ny zandary. Nosamborina sy nentina nohadihadiana teny anivon’ny biraon’ny zandary izy rehetra ireo. Hatolotra ny fitsarana kosa ny raharaha rehefa vita ny famo­torana.
Tsiahivina fa nandroba trano tetsy Ambatobe ireo jiolahy ireo, ny 9 jona lasa teo. Rahalahin’ny tovolahy 17 taona, izay galifantsy indrindra amin’ireo jiolahy ireo io voaroba io. Very nandritra izany ny solosaina iray sy finday ary vola 38 000 000 Ariary. Vao avy nivarotra fiara ny tompon-trano tamin’io fotoana io. Nandeha ny famotorana nataon’ny zandarimaria avy amin’ny PA Ampangambe taorian’izay ka nahafahana nisambotra ireto andian-jiolahy ireto. Nirona tany amin’ny zandrin’ilay vaky trano ny ahiahy.

Mino

Partager sur: