Mifalia na izany aza!  

Tonga ny asaramanitra! Hakotrokotroka ny fankalazana eto an-dRenivohitra. Ho jejojejo ny mponina fa mahazo fitaovam-pitaterana manara-penitra. Tsy vitan’izany fa mbola “ hampirevena” amin’ny seho isan-karazany, mba hanadinoana ny sorisorim-piainana sy ny fahoriana isan-karazany. Maro isafidianana izy ao. Tena manao izay ho afany ny fitondrana mba ho fotoam-pankalazana tsy ho hay hadinoina ity faha-65 taona ity.
Tsy ho fotoam-pahatsirovana fotsiny anefa no faniriana amin’izao fanamarihana ny fetin’ny Fahaleovantena izao. Vanim-potoana natao hisainana amin’ny 65 taona hoavy. Tsy tokony hijanona ho fety aman-danonana fa hamelona ny afom-pitiavana ilay tanindrazana. Tsy sanatrian’ny vava hoe rendrarendra sy fandaniam-bola ny an’ny mpitondra fanjakana. Finiavana ny hanamafy ilay fifamatorana amin’ny entina sy ny mpitondra no tanjona.
Maro ny kiana sy fanenjehana noho ny fandaniana mihoapampana. Tsy takatry ny sain’ireo efa mankahala befahantany sy ny tratry ny tsy tia mainty anefa ny hafatra lalina fonosin’izany. Anisan’ny tanjon’ny fitondram-panjakana ny fahafahana miombom-po amam-panahy amin’ny vahoaka. Vanim-potoana tokana azo hanehoana ny firaisan-tsaina, ho fiaraha-manadino ny mavesatra.
Maro rahateo ny sedra lalovan’ny vahoaka malagasy. Mazava ho azy fa tantely amam-bahona ny fiainana. Ny fiaraha-mifety anefa dia tsy midika ho fanaovana tsinontsinona ny raho-mainty lalovan’ny sasany. Miara-mandroso ny Malagasy no tanjona. Tsy maintsy dinganina ny sompatry ny fiainana. Izay mitanondrika sy manaiky lavo no resy.
Mila mifaly na eo aza ny olom-piainana. Ireny no hisintomana angovo hoenti-miatrika ny ampitso, izay tsy mbola hay izay fonosiny. Ny Malagasy rahateo tsy mandidy alohan’ilay tompon’ny teny farany ao ambony ao. Mahaiza fotsiny mifety am-pahamendrehana!

r.r

Partager sur: