Rakotomalala Marcel: «Tsy mbola nisy Makis tsy nifaninana izany»

Nioty vokatra tsara ary nampakatra avo ny lazan’ny baolina lavalava indray ny Makis de Madagascar. Voahosotra ho tompondaka lefitra aty Afrika ary nahazo ny tapakila hiatrehana ny «Circuits mondiaux 2026». Nanambara ny zava-misy Rakotomalala Marcel, filohan’ny Malagasy Rugby.

Gazety Taratra (*): Ny vokatra azon’ny Makis tatsy Maurice ve afaka hilazana fa mandroso ity taranja ity?

R. Marcel (-): Tompon­daka lefitra aty Afrika ny Makis Sevens. Raha tsiahiviko, fahatelo tamin’ny taon-dasa, tamin’ity faharoa ary mbola Malagasy mpilalao no voahosotra ho mendrika indrindra tamin’ireo kalaza maro nifaninana. Izany rehetra izany ve no hilazana fa mihemotra.

* Maty antoka lava ny Malagasy Rugby ary lanin’ny mpitondra ny vola?
– Voalohany aloha, tsy mbola nisy Makis, na zandriny na zokiny, na vehivavy na lehilahy, tsy nandray anjara tamin’ireo fifaninanana iraisam-pirenena rehetra nisy. Ny an’ny taranja hafa izay lehibe sy mahazo fanohanana etsy sy eroa, misy mijanona fa hoe tsy misy vola nefa ny an’ny rugby, mandeha foana izay tsy mba mahazo fanampiana. Ankoatra izay, ny fifaninanam-pirenena amin’ny rugby, tsy misy saram-pandraisana anjara. Ny an’ny hafa misy sarany. Misy ny fatiantoka satria eo ireo vesatra tsy maintsy efaina eo no ho eo, nefa ny fanampiana avy amin’ny fitondrana tsy tonga amin’ny fotoana ilana azy.

* Ahoana ireo mpilalaon’ny Makis voalaza fa tsy mahazo fanampiana?
– Iarahan’ny rehetra mahita fa tsy mitsanga-menatra ireo mpilalao amin’ny sehatra hifaninanany. Misy ny tohana ara-tsakafo, ny ara-bola ary ny ara-pitaovana vatsiana azy ireo ary mbola mahazo “prime de match” sy “prime d’encouragement” ihany koa. Tsy misy miditra aty am-paosin-dRa­Marcel izany rehetra izany na Ariary aza. Ny mampalahelo, ireo olona milaza tia rugby ireo izay tsy manao afa-tsy ny manenjika sy manaratsy, tsy manome na rano mangatsiaka iray vera akory ireo mpilalao fa faly hanakiana fotsiny.

Dinika nangonin’i Tompondaka

Partager sur: