Nahomby ny fifaninanana “Combat Avenir V”, taranja kick-boxing, notanterahina teny amin’ny Kianja mitafon’i Mahamasina, ny alahady 22 jona lasa teo. Ady 145 no nitranga nandritra izany izay tena niady avokoa, raha ny nambaran’ny filohan’ny klioba mpikarakara, ny Lion Force, i Boto Gilbert. “Feno hipoka ihany koa teny an-toerana tamin’io andro io. Porofo izany fa manana hoavy tsara ity taranja ity”, hoy ny nambarany. Sokajy maro no nifanandrina tamin’ity, nahitana taratra ireo taninketsan’ny kick-boxing. Fifaninanana natao hanomanana ny “X Trême Combat” izay hatao ny volana oktobra izao, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Fifaninanana goavana indrindra karakarain’ny Lion Force ity “X Trême Combat” ity, hitiliana izay hiatrika ireo fifaninanana iraisam-pirenena miandry. Nohamafisin’i Boto Gilbert fa tsy mialon-jafy ny klioba, izay mendrika na avy amin’iza na iza, dia mahazo ny tapakila hiatrehana ny fifaninanana iraisam-pirenena avokoa. Voninahi-pirenena, hoy izy, no arovana fa tsy ny voninahitry ny Lion Force.
Mi.Raz




