Roa andro taorian’ny lozam-pifamoivoizana tao Maharidaza, lalam-pirenena faharoa, tafavoaka tao ambanin’ny kamiao nanindry azy ny nofo mangatsiakan’ilay kaomorianina, omaly maraina.
Nanao sarotra ny fangalana ny vatana mangatsiakan’ny lehilahy iray voatsindrin’ny kamiao tao Maharidaza, RN2. Kamiao lehibe mpitatitra entana mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina tra-doza tampoka teo amin’ io toerana io. Nisedra olana teo amin’ny lafiny familiana ny mpamilin’io fiarabe io. Tapaka ny “rotule de direction” araka ny fanazavana. Nivarina an-kady ny fiara tamin’ny alin’ny talata 24 jona teo. Nipitika tamin’io fotoana io i Ahmed Issa Ali, izay mpamily mpanampy. Voatsindrin’ny vatan’ny kamiaobe izy. Niezaka nanao izay ho afany ireo nanatri-maso namonjena ny lasibatra. Nidina ifotony ny tomponandraikitry ny fandriampahalemana nifanome tanana. Voasikotra tao ambanin’ilay kamiaobe io mpanampy mpamily io, omaly.
Nitady vola
Niasa ary nitady vola toy ireo mpilaravinahitra amin’ny firenen-kafa ity kaomoriana tra-doza ity. Mpiavy avy any amin’ny tanànan’i Dimadjou Itsandra, ao Kaomoro, izy saingy efa niasa an-taonany teto an-toerana. Vodihazo hany sisa nampijanona ilay kamiaobe tamin’ny fotoana nitrangan’ny loza. Manoloana io voina io, naneho ny teny fiaraha-miory amin’ny fianakavian’ny namoy ny ainy ny masoivohon’i Kaomoro monina sy miasa eto Madagasikara. Tsiahivina, matetika hitrangana lozam-pifamoivoizana eny amin’ny lalam-pirenena faharoa manakaiky an’i Maharidaza. Mila mitandrina hatrany ireo mpamily mampiasa io lalam-pirenena io, indrindra ireo mpitondra kamiao.
Tsiferana R.




