Zandary mpiana-draharaha iray no maty voakapa famaky, ny alin’ny fetim-pirenena, tao Fenoarivobe. Nanasaraka olona niady tamin’ny fety izy. Olona efatra karohina.
Nokapain’ny vatan-dehilahy miisa efatra tamin’ny famaky, voa mafy teo amin’ny lohany, ka tsy tana ny ain’ny zandary mpiana-draharaha iray tao amin’ny kaominina Fenoarivobe, faritra Bongolava, ny alin’ny alakamisy 26 jona teo. Niasa nandritra ny fisian’ny lanonana tao an-toerana io zandary io sy ny namany. Nisehoana ady tampoka teo amin’ireo samy tovolahy nanatrika ny lanonana. Nisy nitondra zava-maranitra anefa ireo lehilahy niady ireo. Nifampikasi-tanana ireo vatan-dehilahy ka nisy lehilahy iray voatsindrona antsy. Niditra nanao ny asany ireo mpitandro filaminana ary anisan’izany io zandary mpiana-draharaha io. Niroso tamin’ny fisamborana ilay nanindrona antsy izy ireo.
Efa-dahy nipoitra tampoka
Nentin’ny zandary hihazo ny biraon’ny tobim-paritra Fenoarivobe ilay nanindrona antsy. Tsy nanampo na inona na inona ny mpitandro filaminana nitondra ilay voasambotra, kinanjo nipoitra tampoka avy ao anaty haizina ny lehilahy miisa efatra. Nokapain’izy ireo famaky avy hatrany ilay zandary mpiana-draharaha. Naratra mafy ity farany. Nanararaotra nandositra ireo efa-dahy sy ilay lehilahy nanindrona antsy voasambotra tany amin’ny lanonana. Nentina nihazo ny toeram-pitsaboana CHRR Tsiroanomandidy io zandary naratra mafy io saingy tsy tana ny ainy. Karohina ireo nahavanon-doza amin’izao fotoana.
Tsiferana R.




