Novelesin-drainy tamin’ny hazo: nipotsaka ny atidohan’ilay zaza

Nosamborin’ny mpitandro filaminana ny raim-pianakaviana iray namono nahafaty an-janany, tany  Fenoarivo Atsinanana, omaly maraina. Zaza vao herintaona monja, maty tsy tra-drano sady nivoa-dra ny lohany vokatry ny habibiana nataon-drainy. Nentin’ny hamamoana niampy fahasarotam-piaro, novelesin-drangahy tamin’ny hazo ny lohan’io zanany io. Nipotsaka mihitsy ny atidohan’ilay lasibatra. Niezaka nitondra azy teny anivon’ny mpitsabo ny fianakavian’ity farany. Namoy ny ainy io zaza io. Nandositra ny nahavanon-doza. Niroso tamin’ny fikarohana io raim-pianakaviana io ny zandary. Vokany, voasambotra izy ary notanana hatao famotorana alohan’ny hanolorana azy eo anatrehan’ny fampanoavana.

Tsiferana R.

Partager sur: