Judo-Afrika: nahazo medaly volamena Razafindrakalo Natacha

Malagasy mpikatroka 11 mianadahy no misolo tena an’i Madagasikara any Pretoria mandritra ny fiadiana ny amboaran’i Afrika, taranja judo. Medaly volamena iray, volafotsy 1 ary alimo 2 no efa azon’izy ireo.

Tamin’ny hafaliana tanteraka no nandraisan’ny judokas malagasy, Ra­zafindrakalo Natacha, ny medaly volamena, nandritra ny fandraisany anjara tamin’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika, taranja judo, sokajy Senior, tontosaina any Pre­toria. Ity no medaly volamena voalohany azony teo amin’ny sehatra afrikanina, araka ny nambarany, ka hireharehany tanteraka. “Nivaly ny ezaka natao an-taonany maro”, hoy izy taorian’ny nandraisany ity medaly volamena, teo amin’ny sokajy latsaky ny 48kg, ity. Ankoatra an’i Natacha, Mala­gasy mpikatroka 3 ihany koa no efa nahazo medaly. Ani­san’izany Ralalaharisoa Ma­lalatiana Frederica, nahazo medaly volafotsy, teo amin’ny sokajy latsaky ny 63 kg, rehefa resin’i Knoester Skye. Nampiseho ny fahaizany ha­trany am-boalohany i Mala­latiana saingy tsy afa-bela teo amin’ny famaranana. Na­miratra ihany Ralevazaha Vonjiniaina Emilson teo amin’ny sokajy latsaky ny 66kg, lehilahy. Norombahiny ny medaly alimo rehefa niady mafy nanoloana ny mpifanandrina taminy nandritra ny famaranana ny fiadiana ity medaly alimo ity. Toraka izany ihany koa Ravelojaona Rayan, teo amin’ny sokajy latsaky ny 73 kg, lehilahy, izay nandrombaka medaly alimo.

Mi.Raz

Partager sur: