Tsipy kanetibe – “Masters 2025”: mahaliana ny maro ny ekipa malagasy

Nanomboka ny alakamisy 26 jona lasa teo, tany France, ny “Masters 2025”, taranja tsipy kanetibe, sokajy lehilahy. Dingana voalohany notanterahina tao ST Gilles – Croix de Vie. Raha tsiahivina, norombahin’ny Malagasy ny amboara tamin’io rehefa nandresy ny ekipan’i Wild Card, tamin’ny isa 13 no ho 5, nandritra ny famaranana. Nampiaiky ny maro ny lalao nasehon’i Zigle sy i Tiana ary i Balôty nanomboka tany amin’ny ampahefa-dalana ka hatramin’ny farany. Manoloana izany, maro ireo liana amin’ny ekipa malagasy ka ny fihaonana ataon-dry zalahy no tena arahin’ny rehetra. Ambaran’ny mpanao gazety, fa brezilianina amin’ny tsipy kanetibe ny Malagasy.
Tsiahivina fa toy ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany kely ity «Masters» ity, noho ny fandraisana anjaran’ireo mpilalao kalaza maneran-tany, toa ilay italianina, i Diego Rizzi, tompondaka farany ary ilay frantsay, i Dylan Rocher. Marihina fa miisa 7 ny dingana tsy maintsy tanterahina amin’ity «Masters 2025» ity. Dingana manaraka ho an’ny ekipa malagasy ny fihaonana hatao ao Soustons, ny 15 jolay ho avy izao. Taorian’ny fahazoan’i Madagasikara ny amboara tao ST Gilles – Croix de Vie, nahazo isa 10 ry zalahy. Mandra-pahatonga izany, hiatrika ny “Tournoi Estival” indray i Madagasikara izay manana ekipa roa mandray anjara.

Tompondaka

Partager sur: