Hita faty tany Vatomandry, afakomaly ny zandary misotro ronono sy ny vadiny, izay monina etsy Ampahibe. Voalaza fa hijery fananana any an-toerana no nialan’izy ireo tao an-trano.
Olona telo hita faty tao anaty trano iray manamorona ny lalam-pirenena faha-11A, 100 metatra tsy hidirana ny fiholahana Antokotelo, fokontany Niarovana II, kaominina ambanivohitra Sahamatevina, disitrikan’i Vatomandry, afakomaly maraina. Tokony ho tamin’ny 8 ora latsaka 10 minitra maraina, fofona ratsy sy lalitra mitangorona tamina trano iray no nanaitra ny manodidina. Rehefa nosokafana ny trano, vatana mangatsiakan’olona telo no hita tao. Anisan’izany, ilay Kolonely, zandary misotro ronono sy ny vadiny. Hita faty tao koa ny lehilahy iray hafa izay tsy mbola fantatra ny mombamomba azy. Nidina tany an-toerana nijery ny zava-misy sy nanao ny fanadihadiana ny polisy EPJ sy ny borigadin’ny zandary avy any Vatomandry. Tonga teny an-toerana nanao ny fizahana ny razana ny mpitsabo miisa telo. Nampahafantarina ny fianakaviany ny fahitana ny vatana mangatsiakan’izy mivady sy ilay niaraka taminy, taorian’ izay.
Avy etsy Ampahibe
Monina tetsy Ampahibe izy mivady hita faty ireo, tao ihany koa ny toerana nahitana azy farany. Nilaza handeha hijery fananana any Vatomandry ny antony niangan’izy mivady ireo ny trano fonenany. Nampandre ny kaompanian’ny Zandarimariam-pirenena any Vatomandry mahakasika ny tsy fahitana azy mivady ireo ny zanany izay monina etsy Ampamantanana, Antananarivo. Rehefa tsy nahazo antso ireo ray aman-dreniny tamin’ny finday intsony ny 26 jona lasa teo. Niroso tamin’ny fikarohana avy hatrany ny zandary niaraka tamin’ny ekipan’ny Polisy mpanao fanadihadiana (EPJ) ary ireo vondron-tafika rehetra manaraka ny lalam-pirenena faha-11A hatrany Mahanoro. Natao ihany koa ny fanarahana ny fiara 4×4 izay nitondra azy ireo. Nitohy ny fikarohana ka izao niafara tamin’ny fahitana ny vata mangatsiaka tao amin’io trano manamorona ny lalam-pirenena faha-11A ao amin’ny kaominin’i Sahamatevina io.
Mino




