Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, ny sabotsy lasa teo, tetsy Mahamasina, ny andro fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ny Fanatanjahantena. Ho fanamarihana izany, nikarakara hetsika goavana, « Salon National des Sports », miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka aminy, teny an-toerana, ny minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena (MJS), izay tarihan’ny minisitra, Moustapha Marson Abdulah. Samy nahatsapa ny maha zava-dehibe ity hetsika ity avokoa ireo federasionina nanaovana fanadihadiana teny an-toerana.
Ratefinanahary Emile, filohan’ny Federasionina malagasin’ny Karate Do (FMK)
« Anisan’ireo taranja tranainy indrindra eto Madagasikara ny Karate. Ny taona 1960, izy io no niditra teto Madagasikara. Efa manana ny toerany eto Madagasikara sy eo amin’ny fikambanana lehibe eto Afrika ary eny anivon’ny federasionina iraisam-pirenena ny rafitra Federaly mitantana ny Karate Malagasy. Zava-dehibe ho anay, ny fandraisana anjara amin’ny hetsika « salon des sports ». Hisaorana hatrany ny minisitera nikarakara ny zavatra tahaka izao, ary hantenaina fa hitohy izany, mba hahafahana misarika ireo tanora, hitia sy hanao Fanatanjahantena ».
Efa mivelatra tanteraka ny Karate, ary miisa 22 ireo ligy mandrafitra ny federasionina FMK. Anisan’izany ny ligin’Analamanga, Vakinankaratra, Alaotra Mangoro, Boeny…
Federasionina malagasin’ny Padel
Anisan’ireo rafitra federaly, nanao trano heva, teny Mahamasina, ny Federasionina malagasin’ny Tenisy anaty efitrano, “Padel” (FMP). Tanjon’izy ireo, ny hisarihana ireo olona sy hampahafantatra ny mpankafy fanatanjahantena ity taranja iray ity. Araka ny fanadihadiana natao, ny taona 2009, ny Padel no tonga voalohany teto Madagasikara. Efa niatrika fifaninanana iraisam-pirenena maro izy ireo. Ny taona 2024, voahosotra ho tompondakan’i Afrika, taranja Padel, i Madagascar. Mpilalao 600 mahery eo izao no efa milalao Padel, raha toa ka 300 ihany ireo misoratra any amin’ny Federasionina FMP.
Marihina fa miara-miasa amin’ny Malagasy Pro Padel Tour (MPPT), ny rafitra federaly amin’ny fikarakarana fifaninanana.
Ratsivahiny Bryan, Malagasy mpilalao fiarakodia, « Run »
« Misaotra ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena ny tenako, nanana finiavana nikarakara hetsika, tsara dia tsara tahaka izao. Tena ilaina ho an’ny fampiroboroboana ny fanatanjahantena tokoa izany. Ny zavatra tahaka izao mantsy, ilaina tokoa, indrindra ho an’ny tanora. Hafahana misaraka azy ireny tsy hirona any amin’ny zava-mahadomelina izany. Hinoana fa hitohy foana ny hetsika tahaka izao fa tsy hijanona».
Tsara ny mampahafantatra fa vao 17 taona monja Ratsivahiny Bryan, ary efa manana ny lazany tanteraka anatin’ity taranja fanamoriana fiarakodia ity. Efa nandrombaka ny anaram-boninahitr’i Madagasikara tamin’ny sokajy zandriny Rookie, izy ny taona 2022. Tamin’ny taona lasa teo, nahazo ny laharana voalohany tamin’ny fifanintsanana, “Mada Jeune”, “Super Run”, ary “Super Run 2” ny tenany. Mbola maniry ny ho lasa lavitra amin’ity taranja ity moa i Bryan.




