Échecs -“Tournoi Inter-Entreprise”: hotohizana amin’ny volana septambra

Amin’ny volana septambra izao indray ny fifaninanana “Tournoi Inter-Entreprise”, ta­ranja Échecs, karakarain’ny federasionina malagasin’ ny lalaon-tsaina Échecs. Mbola hisy ihany koa amin’ny volana desambra izao, raha ny nambaran’ny avy eo anivon’ny federasionina. Fifaninanana natao hijerena ireo mpilalao eny anivon’ny orinasa ity lalao ity. Efa betsaka mantsy ny mpilalao mahay any anaty orinasa any, raha ny fanazavan’ny tale teknika, Haja Harisoa. Raha hiverenana ity fifaninanana ity, notontosaina teny amin’ny Orange Digital Center Soarano ny andiany faharoa. Orinasa 7 no nandray anjara, nahitana ny Euro CRM, Ma­terauto, Huawei, Axian, Beys, Herí Madagascar ary ny MCB. 40 kosa ny isan’ny mpandray anjara ka anisan’ny nisongadina, Rabenandrasana Liva­niaina sy Andrianavalona Jack Gold ary ireo mpilalao maro izay misy ny efa mpandray anjara amin’ny fifaninanana nasionaly. Tohin’ny fandaharam-potoanan’ny FMJE, hatao ny volana aogositra izao ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara sokajy Seniors, raha toa ka ny septambra kosa ny an’ny sokajy Vétérans sy vehivavy. Eo amin’ny iraisam-pirenena kosa, hanana solontena amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, sokajy “Jeunes” i Madagasikara, amin’ny volana desambra, izay hatao any Tonizia raha tsy misy ny fiovana.

Mi.Raz

Partager sur: