Tsipy kanetibe, vehivavy: mpilalao 24 manao fampivondronana

Nanomboka omaly, any Antsirabe ny fampivodronana ireo vehivavy mpilalao tsipy kanetibe. Miisa 24 izy ireo ka ny 1 avy any France dia i Aubriot Fanja. Hifantenana izay ho mpilalao handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy, hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, ho an’olon-telo miaraka hatao any Douaisis, France ny 9 ka hatramin’ny 12 oktobra 2025. Haharitra hatramin’ny 7 jolay ho avy izao izany. Masontsivana maro no hojerena amin’ireo mpilalao. Ankoatra ny fahaizan’ny tsirairay, takina amin’izy ireo ihany koa fitondran-tena, ny fahaiza-miaina amin’ny fiarahana amin’ireo mpilalao samy mpilalao, amin’ny mpilalao sy ny mpanazatra ary amin’ny mpitsara sy ny mpitantana. Tsiahivina fa efa nandefasana fiantsoana amin’ny anarany manokana ireo mpilalao tsirairay avy. Ny tsy famalian’ireo mpilalao izany dia naman’ny fanalana tena tsy ho anisan’ireo hanao fifantenana. Tanjona, ny handrombahan’i Madagasikara ny anaram-boninahitra amin’ity izay tsy mbola nisy aloha hatreto.

Tompondaka

Partager sur: