NIfandona tamin’ny kamiao : Vehivavy nentina tamin’ny moto namoy ny ainy

Nifandona ny fiarabe sy kodiaran-droa iray tetsy Andohatapenaka, omaly. Namoy ny ainy vokatry ny hamafin’ny dona nahazo azy ny tovovavy iray izay nentina tamin’ilay moto.

Nisehoana lozam-pifamoivoizana namoizana aina tetsy amin’ny Rond point Andohatapenaka, omaly tamin’ny 1 ora latsaka fahefany atoandro. Nifampi­kasoka tampoka tamin’ny Kamiao iray ny kodiaran-droa marika JBUBU 100CC notaingenan’olona roa. Nipitika sy nivadika ary nitsirara tamin’ny arabe io moto io sy ny olona nitondra azy. Vokany, naratra mafy noho ny dona nahazo azy nandritra izany ny tovovavy iray 23 taona, izay nentina avy aoriana. Nentina avy hatrany teny anivon’ny hopitaly CHU-JRA Ampefiloha izy taorian’izay, saingy tsy tana ny ainy fotoana fohy taorian’ny nahatongavany teny amin’ny hopitaly. Samy avy eny 67 ha hihazo an’Ambodihady avokoa na ilay fiarabe na ilay kodiaran-droa tamin’io fotoana io. Nentina raim-pianakaviana 52 taona ny fiarabe. Raha toa ka nentina tovovavy 19 taona, mbola mpianatra kosa ny moto niharan-doza.

Tsy nanana fahazoan-dalana hamily
Tonga teny an-toerana nijery ny zava-misy sy nanao ny fanadihadiana ny avy amin’ny Brigade des accidents (Bac). Tsy nanana fahazoan-dalana hamily io tovovavy nitondra ny kodiaran-droa niharan-doza io rehefa natao ny fisavana. Notanana hatao andrimaso sy miatrika fanadihadiana eny amin’ny biraon’ny mpitandro filaminana avokoa ny mpamilin’ny fiarabe sy ilay kodiaran-droa.
Ankoatra izay, kodiaran-droa iray hafa koa nifandona tamin’ny fiara tsy mataho-dalana, tetsy Andraharo, omaly tolakandro. Nianjera sy nitrosona tamin’ny tany niaraka tamin’ny kodiaran-droa nentiny ilay lehilahy. Vokany, naratra izy ary efa nentina namonjy toeram-pitsaboana ihany koa. Anisan’ny mahatonga ny lozam-pifamoivoizana ny tsy fahaizana lalàna mifehy ny fifamoivoizana, ny fandehanana mafy sy ny maro hafa. Entanina hatrany ny rehetra mba hianatra hamily sy hifehy ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana mba hisorohana ny loza.

Mino

Partager sur: