Niara-niakatra fampanaovana, omaly, ireo dimy lahy nanao fanolanana faobe tao amin’ny fokontany Tsiafahy, kaominina Antsirabe. Vehivavy 25 taona avy nivarotra ka namonjy fodiana no nanamparan’ireo tsy mataho-tody ny filan-dratsiny sady norobainy, ny 25 jona teo. Nalain’ireo tsy valahara ny vola teny amin’io vehivavy io. Tsy vitan’ny nanolana, nanaovan’ireo mpanolana maloto ny vavan’ilay lasibatra. Nametraka fitoriana teny anivon’ny mpitandro filaminana ilay niharan’ny fanolanana. Tsy niafina taminy rahateo ny endrik’ireo nahavanon-doza. Niroso tamin’ny fanadihadiana ny polisy ka miisa dimy ireo voasambotra. Notanana vonjimaika any am-ponja izy ireo. Marihina, henjana ary miafara hatramin’ ny famotsirana mihitsy aza ny sazy miandry ireo tratra manolana.
Tsiferana R.




