Nikapa famaky : Maty voatifitra ireo efa-dahy namono zandary

Namoy ny ainy avokoa ireo lehilahy miisa efatra namono zandary, tao Ambalarano, kaominina Fenoarivobe, afakomaly. Nataon’ny mpitandro filaminana hazalambo nanomboka ny alakamisy 26 jona teo ireo efa-dahy tompon’antoka namono nahafaty ny zandary mpiana-draharaha iray. Ni­tondra lehilahy nanindrona antsy olona hihazo ny birao io zandary mpiana-draharaha io. Tratran’ny tampoka izy rehefa nisy telo lahy nipoitra tampoka avy any anaty haizina. Ni­tondra famaky ireo lehilahy ireo ka nikapa avy hatrany ny lohan’ilay zandary mpiana-draharaha. Nentin’izy telo lahy nandositra koa, ilay lehilahy nosamborina. Naratra mafy teo amin’ny lohany vokatry ny vono nahazo azy io mpitandro filaminana io. Nentina namonjy ny CHRR Tsiroanomandidy ity farany izay naratra mafy saingy tsy tana ny ainy. Nanetsika ny hery velona rehetra ny lehiben’ny zandary miasa ao Fenoarivobe. No­karohina ireo nahavanon-doza ka izao niara-maty voatifitra izao avokoa izy ireo, araka ny loharanom-baovao farany. Raha tsiahivina, nifampikasi-tanana nandritra ny fety fankalazana ny Fetim-pirenena ny andian-jatovo tao an-toerana. Nisy naratra voatsatoka antsy ka niroso tamin’ny fisamborana ny nahavanon-doza ny zandary. Niafara tamin’ny fahafatesan’ilay zandary mpiana-draharaha anefa izany.

Tsiferana R.

Partager sur: