Miparitaka ao anaty tambajotran-tserasera ny lahatsoratra an-gazetin’ny Sport News Africa, omaly, fa naneho fihetsika tsy mendrika ny lehiben’ny kitra malagasy. Etsy ankilany, manazava ny loharanom-baovao iray fa tsy marina io filazana io.
“Iza no diso ?”. Namoaka vaovao momba ilay savorovoro nisy tamin’ny fihaonan’ny Mama FC sy ny Elgeco Plus, ny rohy iray any ivelany, “Sport News Africa” omaly. Fifandirana izay tafiditra amin’ny lalao manasa-dalan’ny “World Cola PFL 2025”. Nomarihin’izy ireo tao anatin’ity lahatsoratra ity, fa nisy ny fikasihan-tanana nataon’ny mpitantana ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), araka ny fijerevana ny horonantsary sy ny filazan’ireo loharanom-baovao izay nanaovan’izy ireo fanadihadiana.
Etsy ankilany, nanao fanazavana fohy ny mpitondra tenin’ny mpitantana voalohan’ny FMF, mahakasika ny toe-draharaha nisy nandritra io fotoana io. Nodisoiny ny vaovao rehetra miely anaty tambajotran-tserasera ary notsindriny fa ny filohan’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), Randriamanampisoa Alfred, dia raiamandrenin’ny fianakaviamben’ny kitra malagasy, tsy ankanavaka.
Mpanelanelana sy mpampihavana
“Manoloana ny zava-nitranga nandritra ny manasa-dalana mandroson’ny World Cola PFL, iny, tiana ny mitondra fanazavana. Nanatrika izany lalao izany mivantana ny filohan’ny FMF. Rehefa nahita ny tenany, fa nisehoana herisetra sy fifandrangitana ary fifampihantsiana ity lalao ity, nanapa-kevitra hijoro ho mpanelanelana sy mpampihavana ihany izy”, raha ny nambarany.
Nanaiky moa ity mpampita vaovao ity, fa niakatra teny an-kianja ny filoha, noho izay fandraisan’andraikitra izay. Nohamafisiny hatrany fa nandamina sy nanasaraka ireo mpilalao izay saika hifampikasi-tanana ihany no nataon’ity mpitantana ny baolina kitra eto Madagasikara ity. Izay fanasarahana nataony izay, nitarin’ny olona sasany, tsy mankasitraka ny fampandrosoana ny baolina kitra, fa nikasi-tanana mpilalao ity filoha ity….
Nilaza moa ity farany fa natao hampiray sy hampihavana, fa tsy hampifandrafy ny taranja baolina kitra.
F.R




