« Festival des sports » : Klioba 30 avy ao Vakinan­karatra nandray anjara

Notanterahina ny alahady 22 jona teo, tao amin’ny Kianja mitafo manara-penitra Vatofotsy, Antsirabe, ny andiany voalohany amin’ny “Festival des sports”. Nandray anjara tamin’izany ireo klioba 30 avy amin’ny taranjam-panatanjahantena samihafa, ao anatin’ny ligim-paritra Vakinankaratra. Nana­trika izany tany an-toerana, ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, i Abdoulah Marson Moustapha. “Natao izao festival izao ho fampirisihana ny tanora hiditra bebe kokoa amin’ny karazam-panatanjahantena samihafa fa indrindra hisorohana amin’ny fidorohana zava-mahadomelina sady hampisongadinana ny taranja tsirairay. Ny tanora no antoky ny fampandrosoana ny firenena araka ny vinan’ny minisitera”, hoy izy. Nohamafisiny fa ezahina ny hanapariaka ny he­tsika tahaka izao any amin’ny fitaleavam-paritra tsirairay manerana ny Nosy.
Samy naneho ny talentany sy ny fahaizany, nandritra ity “festival des sports” ity, ireo klioba isan-tsokajiny. Notolorana medaly ho fankasitrahana ny zava-bitany ihany koa ireo filohan’ny ligim-paritra rehetra ao Vakinankaratra.
Tsiahivina fa manana tanora sy mpilalao mendrika sy tokony hotohanana amin’ny taranja maro i Vakinankaratra. Hita taratra izany amin’ny mpilalao mandrafitra ny ekipam-pirenena sy nandrombaka ny amboara isan-tsokajiny, na eto an-toerana na any amin’ny kaontinanta afrikanina sy iraisam-pirenena.

Tompondaka

Partager sur: