4×4 tra-doza teny amin’ny RN7 : Olona roa niara-namoy ny ainy

Niara-maty ny mpamily sy lehilahy iray hafa nandritra ny lozam-pifamoivoizana teny amin’ny lalam-pirenena fahafito, 6 km tsy hidirana ny tanànan’Ambatolampy, omaly maraina.

Nivoaka ny lalana tampoka, nifatratra tany anaty rano ny fiara tsy mataho-dalana iray, teny amin’ny RN7, PK 62, fokontany Miada­manjaka, kaominina ambanivohitra Manjakatompo, distri­kan’Ambatolampy, omaly ma­raina tamin’ny 6 ora. Niainga avy eto Antananarivo ary nikasa hianatsimo izy ireo. Olona miisa telo no tao anatiny. “Tafavoaka ny arabe tampoka vokatry ny fandehanana mafy io fiara io”, hoy ny fanazavan’ny zandary lehiben’ny borigady misahana ny fifamoivoizana eny amin’ny lalam-pirenena ao Ambatolampy. Nivadika tanteraka ny fiara. Maty teo no ho eo ny lehilahy iray raha toa ka naratra mafy ny mpamily. Avotra soa aman-tsara kosa ny olona iray hafa nipetraka tao amin’ny seza aorian’ny fitoeran’ny mpamily.

Niady tamin’ny fahafatesana
“Mbola nisy aina ilay mpamily tamin’ny fotoana nanavotana azy tao anatin’ny fiara”, hoy ny fanamafisan’ny mpitandro filaminana. Niezaka nitondra azy teny amin’ny hopitaly ireo nanatri-maso saingy tsy tana intsony ny ainy noho ny ratra mafy nahazo azy. Araka ny angom-baovao, filoha tale jeneralin’ny kaoperativa Mada Omby ilay namoy ny ainy. Tomponandraikitra eo anivon’ny fikambanana Tily eto Madagasikara koa, izy. Tsiahivina, miseholany ny tranga lozam-pifamoivoizana, an-dRenivohitra hatrany amin’ ny lalam-pirenena, tato ho ato. Ankoatra ny tampoka, ny fandehanana mafy sy tsy fitandremana matetika no fototry ny loza.

Tsiferana R.

Partager sur: