Anosizato : Tovolahy iray hita faty tao anatin’ny ranon’Ikopa

Tovolahy manodidina ny 15 taona, hita faty tao anaty rano teny amin’ny reniranon’Ikopa, Anosizato, omaly atoandro tokony ho tamin’ny 1 ora sy sasany. Mpanarato eny an-toerana no nahita olona nisaringotra tamin’ny harato. “Olona telo no nifarimbona nisokitra azy sy nampiakatra azy avy ao anaty rano tamin’izany”, hoy ireo nanatri-maso. Raha ny fanazavana voaray avy amin’ny fianakaviana, manana areti-mitaiza toy ireny androbe ireny io tovolahy io. Misy fotoana ny hihetsehan’ny aretina ka mahatonga azy mirifatra sy mamono olona mihitsy aza indraindray. Monina any ambanivohitr’Ambohimandroso Antsirabe izy. Kamboty ihany koa satria efa maty avokoa ny ray aman-dreniny. Vao nalain’ny rahalahiny (zokiny) nipetraka teny aminy,eny Ankazotoho Anosizato izy, saingy izao niharam-boina sy maty an-drano izao.

Nihetsika tampoka ny aretiny
“Omaly maraina, nihetsika tampoka ny aretiny tao an-trano”, hoy ny havany. Nirifatra nivoaka ny trano izy ary tsy hitan’ny olona ny nalehany. Vaovao niparitaka tamin’ny tambajotra sosialy no nanaitra ny havan’io tovolahy io. Tonga naka ny razana teny an-toerana ny avy amin’ny Birao misahana ny fahadiovana (BMH). Efa tonga teny an-toerana ihany koa ny havan’ny maty.

Mino

Partager sur: