Feno ny fandaharam-potoan’ny Federasionina malagasin’ny Jiu-jitsu breziliana, tamin’iny tapa-taona voalohany, ho an’ny taona 2025, iny. Nisy ny fifaninanana nasionaly sy iraisam-pirenena, seminera, fiofanana maro isan-karazany. Tsy ambaka an’izany anefa ny amin’ity enim-bolana faharoa ity izay hanan-danja tokoa. Fifaninanana efatra no hitranga eto an-toerana. Voalohany amin’izany ny Kids BJJ Games “Gi”, hatao ny 24 aogositra izao. Fifaninanana natokana ho an’ny katitakely sy ireo taninketsan’ny taranja. Aorian’izay, hisy ny fiadiana ny amboaran’Analamanga “No Gi”. Hatao ny 13 septambra izao izany. Fotoana hifanomezan’ireo mpikatroka eto Analamanga amin’io andro io ka ho tazana avokoa ireo sangany sy ireo vao misandratra. Fifaninanana efa fanaon’ny FMJJ ihany koa ny Nach “Gi”, ka ny 18 oktobra izao no hanatanterahina izany amin’ity taona ity. Ny “Grand Open de Madagascar” kosa no hamaranana ny taona ho an’ny fifaninanana eto an-toerana, izay hatao ny 20 desambra 2025.
Ho an’ny fifaninanana iraisam-pirenena kosa, handray anjara amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, hatao any Abu Dhabi, ny 12 hatramin’ny 22 novambra izao i Madagasikara. Araka ny efa nolazain’ny eo anivon’ny federasionina, hanana solontena maromaro ny Malagasy amin’ izany.
Mi.Raz




