Pentathlon moderne : Miezaka ny hivelatra eto Madagasikara

Federasionina misy ary mijoro ara-dalàna eto Mada­ga­sikara, ny Pentathlon mo­derne malagasy (FMPM). Araka ny fanadihadiana natao, ny herinandro lasa teo, taranja olympika iray manambatra
« escrime », sy ny tifitra amin’ ny basy « laser », ny « parkour d’obstacles », ary ny hazakazaka an-tongotra izy ity. Na­nomboka ny taona 2017, atleta manodidina ny 200 isa, mizara amin’ny ligy Analamanga, Itasy ary Vakinankaratra, no efa manao sy mifanintsana amin’ity taranja ity. Anisan’ireo nanana tranoheva sy nampiranty tamin’ny « Salon national des sports », tetsy Maha­masina, izy ireo. “Tahaka ireo rehetra ihany, tonga eto amin’ izao hetsika izao izahay mba hanao fampahafantarana ny fisian’ny taranja eto Madaga­sikara. Ny hampiroboroboana ity taranja ity eto an-toerana ihany koa no tanjona », hoy i Nathalie Randriamalala, filohan’ny federasionina FMPM. Mba hanamafisana sy hanomezana endrika matotra an’ity taranja ity sy hisian’ny hetsika ho an’ireo atleta, manomana fifaninana isam-paritra sy nasionaly ny federasionina, ny volana septambra ho avy izao, raha tsy misy ny fiovana. Dingana iray lehibe handra­fetana ny ekipam-pirenena, hisolo tena an’i Madagasikara amin’ny tompondakan’i Afrika, amin’ny volana desambra, atao any Afrika Atsimo, izy ity. Manana tanjona mazava ny rafitra federaly izay tarihan-dRandriamalala Nathalie, dia ny hanandratra avo ny lokon’i Madagasikara amin’ny sehatra afrikanina.

Fitia Randria

Partager sur: