Rafitra iray anisan’ny mampihodina ny fanatanjahantena eto Madagasikara ny fikambanan’ny mpanao gazety ara-panatanjahantena. Mampita sy manabe ary mitondra ny anjara birikiny amin’ny alalan’ny vaovao avoakany izy ireo ka antoka iray mampandroso ny taranja tsirairay. Mila ampy fahalalana anefa ireo mpanao gazety rehefa mikirakira ny vaovao ka anisan’ny tokony hifehezany ny lalàna mifehy ny fanatanjahantena. Izany indrindra no antony nanatanterahana izao fiofanana izao, araka ny nambaran’ny filohan’ny UJSM (Union des journalistes sportifs de Madagascar), Rabenaivo Alain. 39 mianadahy no nanaraka ny fiofanana teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, omaly. I Finaritra sy i Sarindra, teknisianina eo amin’ny tontolon’ny fanatanjahantena no nizara ny traikefany. Nanamafy ny filohan’ny UJSM fa tafiditra anatin’ny fandaharanasany ny fanomezana fiofanana ho an’ny mpikambana ka fisantarana ihany iny natao omaly iny fa mbola betsaka ny ho avy. Notohanan’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena, ny Kaomity olympika malagasy ary ny Star ity fiofanana ity.
Mi.Raz




