Voasazy higadra roa taona an-tranomaizina ilay mpampianatra voatonontonona tamin’ny fanaovana kolikoly ara-nofo tamin’ny mpianatra iray tany Mahajanga. Taorian’ny fiakarany fitsarana teo anivon’ny Pôle anti-corruption (Pac) tany Mahajanga, afakomaly. Ankoatra ny sazy miandry azy, naato mandritra ny fotoana voafetra amin’ny asa iandraketany eo amin’ny asam-panjakana ihany koa izy. Mpampianatra iray any Antsohihy, fehezin’ny Oniversiten’i Mahajanga izy io. Nanaiky hanome naoty tsara tamin’ny taranja ampianariny io mpampianatra io raha toa ka manaiky hiaraka aminy ilay mpianatra (taona faharoa). Tsy nanaiky izany anefa ilay mpianatra fa nandeha nitory teny amin’ny Birao mahaleo tena miady amin’ny kolikoly (Bianco) tamin’ny taona 2024. Natolotry ny Bianco ny Pac ny raharaha rehefa vita ny fanadihadiana, raha ny fanazavana nataon’ny Tonia mpampanoa lalàna eo anivon’ny Pac Mahajanga, Rindra Harizo, afakomaly. Nanatanteraka ny fisamborana io mpampianatra io ny zandary ao Antsohihy. Naterina ao amin’ny Toby Fanarenana ao Marofoto izy, manatanteraka ny saziny.
Mino




