Notsaraina tao amin’ny efitrano fitsarana ambony, sampana ady heloka bevava, ny talata teo, ny antontan-taratasin’ady lah 61 – Toa / 25 mahakasika ny raharaha ady lova nitarika famonoan’olona, ny 04 febroary 2024, tao Bemasoandro,Vatomandry.
Naharitra ora enina. Niantomboka tamin’ny 9 ora maraina, tsy nifarana raha tsy tamin’ny 3 ora tolakandro, ny fotoam-pitsarana ity raharaha vonoan’olona ity. Efatra ny voampanga : i Noaviniriko Nogetin, 22 taona, mpiasa mpanao parpin an’ ilay renim-pianakaviana niharam-boina, Razafindramamy Ignace, 56 taona, mpiambina, i Samuelson Jasmin, 62 taona, anadahin’ny maty ary Fiainantsambatra Fionona. Vao niantomboka ny fanontaniana dia efa niaiky ny heloka nataony ny voampanga voalohany ary nilaza fa noho ny fanambazana vola be nataon’ ilay anadahin’ny maty no nahatonga azy niroso tamin’ny asa ratsy ka nitady namana. Notaominy tamin’izany i Fiainantsambatra Fionona. «Niala tao Toamasina, ny alahady 4 febroary 2024, izy roa lahy nihazo an’ i Vatomandry ary nigadona tao amin’i Samuelson Jasmin, tokony ho tamin’ny 1 ora sy sasany tolakandro. Nandray ny baiko avy tamin’ ity farany ary niara-niditra ny lakoron’ i Jeannine, ilay ramatoa niharan’ny asa ratsy, nitondra fanoto, raha antsy kosa ny teo an-tana, ary hazo tamin’ i Fiainantsambatra Fionona” hoy i Noaviniriko Nogetin, niaiky ny fiampangana azy ka nitantara ny fomba feno habibiana namonoana ilay renim-pianakaviana. Raha hiverenana, anisan’ny niverimberina ny filazana ny anaran’ilay anadahin’ny niharam-boina ho mpandray anjara sy tompon-kevitra amin’ny famonoana noho ny ady lova. Enina mianadahy ireto fianakaviana ireto no zanaky ny ray aman-dreniny ary efa maty avokoa ny efatra fa roa no sisa velona dia i Samuelson Jasmin sy iray hafa izay tsy miraharaha resaka lova. Teto, niaiky ny helony ilay voampanga voalohany, raha nanda kosa ny hafa. Vokany, nilatsaka ny didy manameloka an’i Noaviniriko Nogetin, izay vao 22 taona monja, hanao asa anterivozona mandra-pahafaty, raha afaka ampisalasalana kosa ny roa lahy sy ny anadahin’ny niharam-boina.
Sajo




