Niakatra fitsarana tao Toamasina ireo olona fito voarohirohy tamin’ny raharaha asan-jiolahy ny taona 2024. Nahavoarohirohy zandary telo, sy Tafika iray ary sivily telolahy, araka ny antotan-taratasin’ ady lah 66- Toa/25. Samy nanda ny fiampangana azy avokoa izy rehetra ireo nandritra ny fotoam-pitsarana. Tsy nisy rahateo ny mpitory sy vavolombelona nandritra ny fitsarana azy ireo. Manoloana izany, nambaran’ny mpitsara mpamoaka didy fa afaka madiodio avokoa izy fito lahy satria tsy ampy ny porofo hanenjehina azy ireo. Tsiahivina fa naseho tamin’ny mpanao gazety teny amin’ny biraon’ny Tonian’ny fampanoavana, fitsarana ambaratonga voalohany, ny 14 oktobra tamin’ny taon-dasa ireo finday nisy feo sy fifandraisan’ny jiolahy tamin’ireo olona voarohirohy ireo. Anisan’izany ny fampanofana basy sy fizarana ireo vola voaroba. Anisan’ny voasambotra sy tratra teo am-panaovana ny asa ratsiny ny zandary iray am-perinasa, ny 12 oktobra 2024. Nisy fanafihana mitam-piadiana ihany koa tany Ampasimazava, ny 27 avrily lasa teo. Nahatratrarana basy poleta sy vodim-bala. Nitohy ny fikarohana sy vela-pandrika ka nahavoasambotra zandary iray sy miaramila iray.
Sajo




