Lavon’ny balan’ny polisy tany Analavory, kaominina Beravina, distrikan’i Morafenobe, faritra Melaky, omaly, ny dahalo raindahiny iray. Malaza amin’ny fanafihana fiara mirongo fitaovam-piadiana toy ny basy, sabatra ary lefona ity farany. Omaly maraina, nanafika fiara tsy mataho-dalana iray izy io sy ny namany. Fiara an’ny ONG iray niainga tao Maintirano hihazo an’i Tsiroanomandidy io lasibatr’ireto jiolahy ireto. Nanao sakan-dalana sady nitifitra sy nitora-bato ireo olon-dratsy ireo. Nisy polisy nanaraka anefa tao anatin’io fiara io. Nandritra ny fanafihana, nirotsaka an-tsehatra niezaka nifehy ny toe-draharaha izy io. Namaly tifitra ihany koa izy nandritra izany ka raikitra ny fifanjevoana sy fifampitifirana teo amin’ny roa tonta. Nandritra izany, lavo ny iray tamin’ireo dahalo ka vaky nandositra avy hatrany ny ambiny.
Tratra tamin’ny fifanjevoana ny basy iray nampiasain’ireo dahalo. Mbola mitohy ny fanadihadiana sy ny fanarahan-dia ataon’ny mpitandro filaminana ireo dahalo tafaporitsaka.
Mino




