Voaheloka higadra an-tranomaizina 20 taona sazy mihatra ny Kly Patrick Rakotomamonjy, araka ny didim-pitsarana navoakan’ny fitsarana miady amin’ny kolikoly. Voasazy folo taona an-tranomaizina ny olona iray hafa voalaza fa mpiray tsikombakomba amin’io manamboninahitra io. Nahazo fahafahana vonjimaika kosa, ireo olona folo hafa. Mijanona ho ankamantatra amin’izao fotoana ny toerana misy ity Kly voasaringotra amin’ny raharaha fanakorotanana eto anivon’ny firenena ity. Nesorina noho ny tsy fahafehezana ny asany teo anivon’ny hopitaly miaramila Homi izy, volana vitsy lasa. Anisan’ny niampangana azy ny fametrahana baomba teny Antanimena sy Soarano ary indrindra ny fifofoana aina ny tomponandraikitra ambony eto anivon’ny firenena. Andrasana ny tohin’ny raharaha.
Tsiferana R.




