Rugby: Efa misokatra ny fifindrana klioba

Nambaran’ny federasionina Malagasy Rugby tao amin’ny pejy, tambajotra seraserany, ny fiandohan’ny herinandro teo, fa efa nisokatra nanomboka ny talata 1 jolay, ny vanim-potoana fifindran-toerana ho an’ireo mpilalao baolina lavalava eto Madagasikara. Haharitra hatramin’ny 29 aogositra izao ny faharetan’izany. Nomarihin’ny tomponandraikitra fa tsy misy fandraisana izany intsony raha dila io fe-potoana io. Haterina eny amin’ny foibe toeran’ny Malagasy Rugby, Andohatapenaka, ny antontan-taratasy rehetra sy ny fangatahana, hataon’ny klioba hialana sy ny hifindrana. Efa samy mikarakara izany avokoa, araka izany, ireo fileovana isanisany. Hahaliana ny mpankafy tokoa ny hahita ny firafitr’ireo klioba amin’ity taom-pilalaovana vaovao ity. Mbola ao anatin’ny fifampiresahana amin’ireo mpilalao ho alainy hanatevina azy ankehitriny ireo filohan’ny ekipa. Tsy maintsy misy mantsy ny fifanarahana ny amin’ny karama na mety ho asa omena ny mpilalao, ao anatin’izany. Tsy ny mpilalao ihany no ilain’ny ekipa fa mitady izay ho mpanazatra ihany koa izy ireo.

 

Tompondaka

Partager sur: