Nitombo iray indray ny ligy eo anivon’ny Federasionina malagasin’ny Kung fu. Nahavita fifidianana ny 30 jona lasa teo ny ligin’i Sava. Lany ho filoha hitantana mandritra ny 4 taona manaraka ny Maître Daniel. Nanara-dalàna tsara ny fifidianana, raha ny tatitra. Natrehin’ny solontenan’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena. Ny minisitera izay hanome ny taratasy fahazoan-dalana ho an’ity ligy vaovao mandrafitra ny federasionina ity. Tsiahivina fa tapitra amin’ity taona 2025 ity ny fe-potoam-piasan’ny filohan’ny federasionina ary efa eo an-dalana hanatanteraka fifidianana avokoa amin’izao ny ligy rehetra, mialoha ny hanaovana ny fifidianana federaly. Raha araka ny fandaharam-potoana efa napetraka, ny volana aogositra izao no tsy maintsy mahavita fifidianana ny eny anivon’ny seksionina. Ny volana oktobra kosa ho an’ny ligy. Ny volana desambra 2025 no hotanterahina ny fifidianana izay hitantana ny federasionina malagasin’ny Kung fu, ho an’ny efa-taona manaraka.
Marihina fa manana ligy 16 sy klioba aman-jatony, manerana ny Nosy, ny FMKF. Efa mahatratra amana hetsiny kosa ny mpikatroka amin’ity taranja ity eto Madagasikara. Mankalaza ny faha-45 taonany amin’ity taona ity moa ny FMKF ary hetsika maro no hanamarihina izany.
Mi.Raz




