Fiara nifandona : Mpivaro-mandeha maty voahitsaka

Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana ain’olona iray tany Andranomadio Antsirabe, afakomaly alina, tamin’ny 9 ora sy 45 mn. Niseho teo amin’ny Jirama, PK 00, lalam-pirenena fahafito, ny loza. Lehilahy iray 57 taona, mpivarotra soya mandehandeha, manan-janaka enina, io niharam-boina io. Avy any andrefana handeha hiatsinanana tamin’ny lalam-pirenena RN7, ny fiara VW Crafter an’ny kaoperativam-pitaterana Soatrans, raha ny fanazavan’ireo vavolombelona. Nisy fiara MB Sprinter ihany koa avy any avaratra hianatsimo, izay tsy nijanona teo amin’ny takelaka famantarana fijanonana. Vokany, nifandona teo afovoan’ny lalana ireo fiara roa ireo. Nandeha mafy ilay fiara sprinter ka nifandona mafy tamin’ny fiara Crafter. Nifatratra tamin’ny takelaby famantarana izy ary nahavoadoana ilay mpivarotra teo amin’ny sisin-dalana. Nentina tany amin’ny hopitaly Loterana Andranomadio io lehilahy io saingy tsy tana ny ainy. Tonga teny an-toerana ny polisy avy amin’ny Brigade des accidents (Bac) sy ny Unité d’intervention rapide (UIR) nanao ny fanadihadiana. Notanana natao andrimaso sy miatrika fanadihadiana eny amin’ny Kaomisaria foibe ao Antsirabe ireo mpamilin’ireo fiara roa ireo.

Mino

Partager sur: