Manasa-dalan’ny «Yas Coupe Madagascar » : Hanokatra ny lalao ny Elgeco Plus sy ny Cosfa

Hifantoka etsy amin’ny Elgeco Plus By-Pass indray ny sain’ny mpanaraka baolina kitra malagasy, amin’ity herinandro ity. Samy hiady ny tapakilan’ny famaranan’ny “Yas Coupe de Madagascar” ireo ekipa efatra tafita amin’ny manasa-dalana.

Raikitra izy ity! Hotante­ra­hina anio sy rahampitso, eny amin’ny Kianja Elgeco Plus Stadium, ny lalao manasa-dalan’ny fiadiana ny amboara nasionaly, “Yas Coupe de Madagascar”, taranja baolina kitra. Samy hafana avokoa ny fifanandrinana amin’ity herinandro ity. Hanokatra ny sehatra amin’izany, anio, eny an-toerana, ny fihaonan’ny Elgeco Plus, tompon’ny amboara farany teo, sy ny Cosfa miaramila.
Araka ny fanadihadiana natao, klioba roa efa nifandona tany amin’ny fifaninanam-pirenena “World Cola PFL”, izy ireo, ary mbola manala vela ry zareo miaramila. Resin’ny Elge­co, 2 no ho 1, ny Cosfa nandritra ny fifanintsanana tamin’ny dingana voalohany. Tsiahivina fa anisan’ireo klioba heverin’ny maro fa hanao pao-droa amin’ity taona ity ireo klioba roa mifandona ireo.
Ankoatra izay, hatao rahampitso ny lalaon’ny CFFA Andoharanofotsy sy ny As Fanalamanga. Ity fifandonana ity izay andrasan’ny maro. Satria, efa nifampitana nandritra ny lalao ampahefa-dalan’ny “World Cola PFL” ny roa tonta. Nihintsana ny AS Fana­lamanga tamin’izany.

Tsy milalao any Afrika

Klioba iray tena ao anatin’ny tanjany tsara ny Cosfa amin’izao fotoana izao. Manify tanteraka anefa ny fahafahan’ity klioba ity miatrika ny fifaninanana afrikanina, noho ny tsy fahazoan’izy ireo ilay taratasim-pilalaovana avy amin’ny Caf, “Licence des Clubs Caf”. Marihina fa ny ekipan’ny Elge­co Plus, CFFA, AS Fanala­manga, CFFA, FC Rouge, AS Avenir Ste Anne, Ajesaia no manana izany.

Fitia Randria

Partager sur: