Hanomboka anio, any Toamasina, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara taranja basikety, eo amin’ny sokajy latsaky ny 16 taona, lahy sy vavy. Mialoha ny fifaninanana, hisy ny « Clinic des entraineurs » hatao ho amin’ny anio, ao amin’ny Arena Toamasina. Efa vita omaly kosa ny fivoriana ara-teknika.
Misaona indray ny tontolon’ny baolina kitra malagasy, nodimandry omaly i Marobe Jean Claude na i Lolody, mpilalao novolavolaina tany amin’ny faritra Atsinanan’ny Nosy izy. Anisan’ireo klioba efa nilalaovany ny AS Adema sy ny Fosa Juniors FC Boeny. Efa nandrafitra ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar ihany koa izy.
Mpilalao miisa 42 nantsoin’ny mpanazatra Rakotondrabe Romuald Felix na Coach Rôrô. Hisy ny fampivondronana ahafahana mitily ireo handrafitra ny Barea A’, hiatrika ny « Chan », ny volana aogositra ho avy izao, any Ouganda sy Tanzanie ary Kenya. Efa nanomboka afakomaly, tetsy Mahamasina, ny fampivondronana.




