Nifanenjehan’ny fokonolona : Dahalo roa lahy maty voatifitra

Lavon’ny balan’ny mpitandro filaminana ny dahalo roa lahy nangalatra omby tao amin’ ny fokontany Amparihy, kaominina Ambano, distrikan’ Antsi­rabe II, ny 4 jolay teo. Nentin’ireo olon-dratsy nandositra ny omby tao am-bala, tamin’ny 11 ora alina. Nanara-dia avy hatrany ny fokonolona sy ny zandarimaria avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Andranomane­latra. Nifandona ireo mpanara-dia sy ny dahalo tao amin’ny kizo Andranga­ranga, fokontany Miarinarivo, kaominina Mandritsara, distrikan’i Betafo. Nitifitra tamin’ny alalan’ny fitaovam-piadiana teny aminy ireo olon-dratsy. Na­­maly tifitra ny mpitandro filaminana. Voan’ny bala ny roa lahy tamin’ireo mpandroba. Namoy ny ainy ireto farany. Latsaka teny amin’izy ireo ny fitaovam-piadiana toy ny basy poleta. Tafaverina koa ny omby miisa roa. Nahatra­rana sakaosy nisy fotsim-bary sy vola teny amin’ireo dahalo. Vatsy nokasain’izy ireo entina hanatanterahana ny asa ratsiny io sarona io, araka ny fa­motoran’ny zandary.

Tsiferana R.

Partager sur: