« Yas Coupe de Madagascar »: Hanao famaranana ny Elgeco Plus sy ny AS Fanalamanga

Nafana ny lalao manasa-dalan’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, ny faran’ny herinandro teo. Tafahaona indray eo amin’ny famaranana ny Elgeco Plus sy ny AS Fanalamanga.

Tafahaona eo amin’ny famaranan’ny amboaran’i Madagasikara, « Yas Coupe 2025 », taranja baolina kitra, ny Elgeco Plus sy ny AS Fanalamanga. Samy nahita fandresena avokoa izy ireo nandritra ny lalao manasa-dalana notontosaina ny sabotsy sy ny alahady teo, teny amin’ny Kianja Elgeco Plus Stadium, By-Pass.
Ny klioba Elgeco Plus, nandavo ny Cosfa miaramila, 1 no ho 0. Baolina tokana nampidirin’i Ismael, lohalaharana Elgeco Plus, minitra faha-89. Nanao tandrevaka ny vodilaharan’ny miaramila tamin’ity fifanandrinana ity, ka mora ho an’ny lohalaharan’ny Elgeco Plus ny nampiditra izany tany anaty harato.
Ny AS Fanalamanga kosa, nandresy ny CFFA, tany amin’ny fandakana tir au but, 4 no ho 2, rehefa nisaraka ady sahala 1 no ho 1, teo amin’ny fe-potoana ara-dalàna. Marihina fa ny ekipan’Andoharanofotsy no nanakobana ny harato voalohany, tamin’ny alalan’i Gregasse, ny minitra faha-15, rehefa nahazo tolotra tsara avy any amin’i Christiano. Tany amin’ny 95 minitra, nanasahala ny isa ny Fanalamanga, rehefa nahazo penalty, i Gildas. Tafiditr’i Ismael, hirakiraky ny As Fanalamanga tsara moa izany.
Tsara nymampahafantatra fa samy nahazo karatra mena, na ny andaniny na ny ankilany.

Famaranana

Araka ny vaovao voaray teny an-toerana, hatao ny 20 jolay ho avy izao, eny amin’ny Kianjan’ny Elgeco Plus, ny famaranana ny “Yas Coupe de Madagascar”, raha tsy misy ny fiovana . Ampahatsiahivina fa ny Elgeco Plus no nandrombaka ny amboaran’i Madagasikara farany teo, raha toa ka sambany teo amin’ny tantara ny AS Fanalamanga vao hiatrika ny famaranan’ny amboara nasionaly.

Fitia Randria

Partager sur: