Very ny 40 tapitrisa Ar tao amin’ny fianakaviana iray, afakomaly alina, teny Tanjombato. Naratra mafy, voadaroky ny jiolahy ny raim-pianakaviana tompon-trano.
Tsy mitsaha-mirongatra ny fanafihana mitam-piadiana tato ho ato. Ahitana izany matetika ny eny amin’ny distrika Atsimondrano. Notafihan’ny jiolahy miisa 12, misaron-tava sy mirongo fitaovam-piadiana (basy sy sabatra), ny tokantrano iray tetsy Ankady Tanjombato, ny alin’ny alahady hifoha alatsinainy lasa teo, tamin’ny 11 ora. Niditra sy nandroba tao amin’ny tokantrano ny telo tamin’ireo jiolahy. Nanambana tamin’ny basy ireo lasibatra ny iray. Raha toa ka nanambana tamin’ny sabatra sy kibay kosa ny olon-dratsy miisa roa. Niandry tany ivelany, nanara-maso ny zava-misy tany an-tokotany ny ambiny, raha ny fanazavana voaray hatrany.
Naratra voadaroka
Nodarohan’ireo olon-dratsy ny raim-pianakaviana (26 taona), izay tompon-trano, ka naratra mafy. Nataon’ireo jiolahy takalonaina ny renim-pianakaviana 26 taona sy ny zanany mbola kely. Mba hitakiana ny vola rehetra tao an-trano. Vokany, lasan’ireo jiolahy ny vola mitentina 40 tapitrisa Ariary sy ny finday manodidina ny 40 isa tao an-trano, raha ny angom-baovao hatrany. Tombanana hatramin’ny 3 tapitrisa Ariary teo ny tetibidin’ireo entana very ireo. Lasa nitsoaka avy hatrany ireo olon-dratsy rehetra ireo rehefa avy nandroba ny entana tao an-trano. Mpandraharaha amin’ny orinasa fivarotana fiara eto Antananarivo ilay raim-pianakaviana voatafika io. Mivarotra finday etsy Soarano kosa ilay ramatoa vadiny. Efa nametraka fitoriana eny anivon’ny mpitandro filaminana kosa ireo fianakaviana taorian’ny tranga.
Mino




