Nisy namaky ny trano misy ny biraon’ny Fitaleavana misahana ny fikarohana sy ny haivao (DRI) eo anivon’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, ny marain’ny sabotsy 5 jolay 2025 lasa teo. Novakian’ny jiolahy ny efitrano roa ary lasan’izy ireo tamin’izany ny ordinatera (Unité central) izay nitahiry ny angon-drakitra. Very tao koa ny vilany elektrika iray. Niditra teo amin’ny varavarankely nisy karakara vy fiarovana ireo olon-dratsy. « Ananana dika mitovy avokoa ireo antontan-kevitra rehetra tao anatin’io fitaovana io ka tsy mampanahy ny fitohizan’ny asa », hoy ny fanambarana nataon’ny tale jeneralin’ny fikarohana ara-tsiantsa, Pr Raharijaona Hery Lisy Tiana, tamin’ny tambajotra sosialy. Nambarany fa tsy misy hifandraisany amin’ny fanadinana bakalorea hoavy amin’ity volana ity, ny fahaverezan’io fitaovana iray io. “Manainga ny mpianatra, mpampianatra ary ny ray aman-dreny mba ho tony manoloana izao tranga izao”, hoy hatrany izy. Marihina fa birao miandraikitra ny fandrindrana sy fanaraha-maso ny tetikasa fikarohana, ny fanavaozana ara-tsiansa, ary ny fanangonana sy fanodinana antontan-kevitra mifandraika amin’ireo sehatra ireo io fitaleavana nisy namaky io. Mirary fahombiazana sahady ho an’ireo hiatrika ny fanadinana bakalorea 2025 ihany koa izy ireo.
Mino




