Karana voatafika: Jiolahy roa maty voatifitra

Lavon’ny tifitra nataon’ny ekipan’ny UIR, eo anivon’ny polisim-pirenena, ny jiolahy roa tao Andranomena, kaominina Betsinjaky, distrika Toliara, omaly maraina. Ni­tran­gana fanafihana mitam-piadiana tao amin’ny tranombarotra an’ny karana iray tao Bazary Be, ny sabotsy 5 jolay lasa teo. Nanazava ny nanatri-maso fa nitondra basy ny mpandroba tamin’io fotoana io. Naharay loharanom-baovao avy amin’ny tsara sitrapo ny mpitandro filaminana momba ny fikambanan-jiolahy nanao fanafihana. Nidina ifotony nanamarina ny zava-misy teny amin’ny toerana voalaza ho misy ireo jiolahy ny polisy. Nifanehatra tamin’ireo olon-dratsy teny amin’ny lalana mihazo ny Oniversiten’i Maninday izy ireo. Nantsoina mba hijanona ireo jiolahy saingy namoaka avy hatrany ny fitaovam-piadiana teny aminy. Nifamaly tifitra ny roa tonta. Vokany, lavon’ny balan’ny polisy ny roa lahy. Naha­trarana fitaovam-piadiana fam­piasany manao asa ratsy ireo roa lahy voatifitra. Voa­marina tamin’ny alalan’ny fanadihadiana fa anisan’ny tompon’antoka tamin’ny fanafihana mitam-piadiana izy roa lahy ireo. Mitohy ny fikarohana ny naman’ireto roa lahy voatifitra ireto.

Tsiferana R/CMS

Partager sur: