Maro ny toerana sy faritra manatantara eto Madagasikara. Mahasarika vahiny, indrindra ny mpizahatany, ny fitsidihana azy ireny.
Anisan’ny toerana be mpitsidika sy mahasarika ny Tsingin’i Bemaraha, ao amin’ny kaominina Bekopaka, distrika Antsalova, faritra Melaky, raha ny fanadihadiana natao tamin’ny ben’ ny Tanànan’ny kaominina Bekopaka, Miandrizoky Jean Baptiste Franklin. Raha ho an’io sehatry ny fizahantany io, mampatanjaka ny ara-ekonomikan’ny toerana ny firoboroboan’izany. Nanomboka nohatsaraina ny resaka fizahantany tao amin’io tsingy io tamin’ny taona 1998. Nohamafisiny fa tokony hatsaraina ny tontolon’ny fizahantany, indrindra ny ao amin’io tsingy io.
Tamin’ny taona 2024, nahatratra 19 000 ny isan’ny mpizahatany tonga tany Bekopaka, raha ny tatitra voaray. Nambarany fa nahitam-pihenana ny isa tonga mitsidika ny toerana taorian’ny fisian’ny valanaretina Covid-19 teto amin’ny firenena. « Efa manomboka miarina tsikelikely ny hamaroan’ny mpizahantany tonga any an-toerana amin’ izao fotoana izao”, hoy hatrany izy. Faniriany ny hitomboan’ny mpizahatany amin’ity taona 2025 ity.
Mila ezaka
«Tena mbola lavitry ny fandrosoana ny tanànan’i Bekopaka ka mila jerena akaiky mba hisian’ny tombontsoa ho an’ny kaominina sy ny mponina ao aminy”, hoy ny ben’ny Tanànan’ny kaominina Bekopaka. “Anisan’ny toeram-pitsangantsangana malaza maneran-tany io toerana iray io”, hoy izy.
Nambarany nefa fa faritra lavitry ny fandrosoana sy miaina ao anatin’ny fahasahiranana tanteraka ny mponina any an-toerana. Maro ireo fotodrafitrasa simba, toy ny hopitaly, ny sekoly fa indrindra ny lalana, raha ny nolazainy. Efa ela no tsy nahitana fanavaozana sy fananganana fotodrafitrasa mahakasika izany tany an-toerana. Etsy ankilany, tafiditra ao anatin’ny faritra mitoka-monina tanteraka iny toerana iny rehefa fotoan’ny orana. Miteraka ny fahasimban’ ny lalana sy ny fotodrafitrasa maro samihafa izany. “Tamin’ ity taona ity, tara vao nisokatra ny lalana mampitohy ny kaominina Bekopaka sy ny faritra hafa noho ny fisian’ny andro ratsy nifanesisesy nandritra ny fotoanam-pahavaratra. Ny volana avrily teo vao nisokatra izany raha volana marsa hatramin’izay », hoy hatrany ny ben’ny Tanànan’i Bekopaka. Ankoatra izay, tantsaha avokoa ny ankamaroan’ny mponina ao. Toerana ahitana vokatra maro ihany koa ny faritra. Maro ny vokatra miakatra, toy ny katsaka, mangahazo ary ny fiompiana nentim-paharazana rehetra. Manavanana ny olona any ny fiompiana omby. Nambaran’ ity ben’ny Tanàna ity fa somary nihena ny fiompiana omby noho ny fisian’ny asan-dahalo.
Manampy betsaka ny kaominina ny fizahantany
Tsy mahavelona ny kaominina raha ny loharanon-karena ao aminy ka mahatonga azy ireo hikaroka loharanom-bola amin’ny tsingy ao Bemaraha, raha ny fanadihadiana natao. Amin’izao fotoana, andalam-pisokafana ny tsingin’i Bemaraha satria sakana ny lalana teo aloha. Matetika ny volana marsa efa misokatra ny lalana fa potika taorian’ireny toetr’andro ratsy ireny. Anisan’ny nodinihina ihany koa ny mba tsy ho vesatra ho an’ny kaominina, na ny fikambanan’ny mpanao hotely na ny mpisera ny haratsian-dalana. Apetraka ho vahaolana maharitra izany mba tsy hiverimberina ny olana eo amin’ny fotodrafitrasa, anisan’izany ny lalana.

Efa ela ny fikarohana fampandrosoana
Efa nisy ny fivoriana niarahan’ny tomponandraikitra avy eo anivon’ny minisiteran’ny Fizahantany sy ny asa tanana sy ny minisiteran’ny Rano sy ny fanadiovana. Niaraha-nisalahy tamin’ireo sehatra miankina na tsia amin’ny fanjakana ary ireo mpiantsehatra rehetra amin’ny fizahantany izany. nahitana ny « Confédération du tourisme de Madagascar » sy ny « Tour opérateur de Madagascar » ary « Association des hôteliers ». Tanjon’ny fihaonana ny hikaroham-bahaolana ny hampandrosoana ny fizahantany any Bekopaka. Resy lahatra ny rehetra nandritra ny fifanakalozan-kevitra fa samy hijery vahaolana hampandrosoana an’i Bekopaka, indrindra amin’ ny toerana ahitana ny tsingin’i Bemaraha. Avadika asa avy hatrany ny dinika rehetra taorian’ny fifampiresahana tamin’ izay fotoana izay.
Maro ny olana iainan’ny mponina any an-toerana, raha ny fanazavana voaray avy amin’ny ben’ny Tanàna hatrany. Mipetraka amin’ny tany ny ankizy any an-dakilasy. Tsy manana tranompokonolona ihany koa ny kaominina fa eny ambodimanga na kily ny toerana hanaovana fivoriam-pokonolona. Amin’ny andro fahavaratra ihany vao mba misitraka rano fisotro madio ny vahoaka. Hifampitadiavina ny rano ao an-tampon-tanànan’i Bekopaka rehefa miditra maintany. Anisan’ny olan’ny mponina ihany koa ny herinaratra kanefa maro ny famokarana herinaratra azo atao any an-toerana, raha ny fanazavana voaray hatrany.
Etsy ankilany, tsy misy tamberina ho an’ny kaominina ny fizahantany misy ao amin’ny Tsingin’i Bemaraha. Nambaran’ny ben’ny Tanàna ihany anefa fa miteraka fampandrosoana ho an’ny kaominina ny fandraisana anjaran’ny rehetra miantsehatra ao anatin’io fizahantany io. Mandray anjara
amin’ny fampandrosoana ny kaominina Bekopaka avokoa ireo mpitantana mivantana sy ny mpitondra mpizahatany.
Nanatontosa : Mino




