Miezaka ny mitady vahaolana eo amin’ ny sehatry ny fanabeazana sy ny fiarovana ny tontolo iainana ireo tomponandraikitra any Toamasina. Manao hetsika maro izy ireo.
Mizotra makany amin’ny mety ho loza mitatao ny firenena, manoloana ny zava-misy ankehitriny. Samy milaza ny olana ianjadiany avokoa ireo tomponandraikitra eo anivon’ny sekoly miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana, ny eo anivon’ny sampandraharahan’ny tontolo iainana sy fampandrosoana lovain-jafy ary ny anivon’ny kaominina Toamasina ambonivohitra.
Ho an’ i Toamasina manokana, efa fanambin’ny ben’ny Tanàna, Andriafanomezantsoa Alain, ny hanatsara ny fomba fanabeazana ary hitondra anjara biriky ho an’ny fanampiana ny tanora mpianatra isaky ny sehatra misy azy avy. Vokany, nametrahana sampana iray eo anivon’ny sampandraharaha misahana ny sosialy eo anivon’ny kaominina nikarakara fisoratana anarana ho an’ izay mpianatra hanomana fanadinam-panjakana BEPC sy ny bakalorea ka hanao fanampim-pianarana sy fanamafisana atao maimaimpoana. Maro ny ray aman-dreny nilofo tamin’ny fandrisihana ny zanany hanao an’izany fanamafisana ny fianarana efa noratovina izany.
Noho izany rehetra izany, notoloran’ny ben’ny Tanàna fitaovana, toy ny kahie sy ny penina ary sokola, ireo mpianatra nanomana ny niatrika ny fanadinana BEPC ny sabotsy 28 jona lasa teo, raha ny alatsinainy 30 jona kosa no natomboka ny fanokafana ny fanampim-pianarana amin’ny fanamafisana ny lesona ho an’ireo mpianatra hiatrika ny fanadinam-panjakana bakalorea.
Miisa 120 ireo mpianatra nisoratra anarana, tetsy amin’ny EPP Lamarne, nambaran’ny ben’ny Tanàna teo ampanokafana, fa raha mbola misy mpianatra te hiditra any ho any dia raisina hatrany. “Tombotsoa ho an’ny zanaka malagasy tsy an-kanavaka no tanjona”, hoy ihany izy. Notronon’ny talem-paritry ny fanambeazam-pirenena, Ramatoa, Mara Sylvie, moa izany.

Fiarovana ny tontolo iainana
Napetraka ihany koa ny paikady hiarovana ny tontolo iainana sy ny zavaboary. Hapetraka ny fahadiovan’ny daholobe sy ny tanàna hiaraha-monina sy iainana. Eo koa ny fomba hahafahana miady amin’ny fahalotoana tsy hampiakatra ny tahan’ny loton’ny rivotra. Ho an’ i Toamasina, nametraka fandarahanasa iray lehibe hiarahan’ny kaominina sy fari-piadidiam-pampianarana ao Toamasina I, ary ny sampandraharahan’ny totolo iainana sy fampandrosoana lovain-jafy, izay natao ho endrika fifaninana teny anivon’ny sekoly, ambaratonga voalohany miankina sy tsy miankina. Notohanana sy niarahana tamin’ny orinasa Star, ny tetikasa “Kopak’ elatra”, izany.
Vokany sekoly tsy miankina miisa enina nahazo ny loka ary natolotra ny alakamisy 3 jolay teo, tetsy amin’ny biraon’ny ben’ny Tanànan’ i Toamasina. Samy notolorana mari-pankasitrahana izy ireo. Ny sekoly tsy miankina “Crystelle Parc” no nahazo ny loka voalohany. Kianja na fotondrafitrasa momba ny fanatanjahantena no atolotry ny orinasa Star – Madagasikara, ireo sekoly mpandray anjara, izay tsy manana velaran-tany hanaovana an’ izay kosa dia omena boky sy hanorenana efitrano fanakiam-boky.
Ankirihiry, sekoly tsy miankina, faharoa ny EPP La Foire, sekolim-panjakana ary ny fahatelo sekoly sekoly miahy tena, Lama Mangarano.
Mazava ny tanjona eto fa ny fampianarana sy ny hanabeazana ny ankizy mba hahay hiaro ny tontolo iainana sy ny ady amin’ny fampihenana ny fiparitahan’ny fako plastika, no tanjon’ity tetikasa ity, izay mbola hanentanana ny anivon’ny fokontany miisa 138 eto an-drenivohitr’i Toamasina.
Ho taratry ny fahasalamana
Zava-dehibe amin’ny fiainan’ny olombelona ny fahasalamana sy ny fifohana rivotra madio, izay antokin’ ny fahasalamana rahateo. Nambaran’ny ben’ny Tanàna fa haverina amin’ny lazany teo aloha i Toamasina, noho izy renivohitra madio rivotra sy mahate honina nandritra ny fotoana maromaro.
Ilain’ny tanànan’ i Toamasina ny fiarovana ny zavaboary. Koa averina ny fisian’ny faritra maitso sy tsy tokony ahitana fako mivagogo etsy sy eroa. Hampirisihina isaky ny fikambanana, sampandraharaham-panjakana sy ny tsy miankina isaky ny sampana mba handray anjara amin’ny fanamaitsoana ny tanànan’ i Toamasina. Raha tsorina, toy ny efa nataon’ny fikambanan’ny mpanao gazety, izay mandray an-tanàna ny faritra maitso sy mamboly hazo amin’ izany.
Raha ny fantatra, samy miaiky ny rehetra fa ny fahamaitsoan’ny manodidina, mitondra fahadiovan’ny tanàna honenana, ary mamokatra rivotra iainana madio. «Izay rehetra izay mitondra ny fahasalamana”, hoy hatrany ny talem-paritry ny totolo iainana sy fampandrosoana lovai-jafy, Tezena Leonel.
Aorian’ny fiverenan’ny mpianatra an-tsekoly, hitohy ny fifaninanana amin’ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny fanaovana zaridaina maitso ho an’ny sekoly, raha tojo antsain’ny mpianatrra ireo dia azo antoka ny fiarovana ny fananam-bahoaka sy ny fahadiovan’ny tanàna ary hanana taranaka hendry isika, hoy hatrany ny ben’ny Tanàna, Andriafanomezantsoa Alain.
Nanatontosa : Sajo




