Fanomanana ny Afrobasket : Hifandona amin’i Mali, Congo, Cap Vert ary Côte d’Ivoire ny Ankoay

Ho feno tanteraka ny fandaharam-potoanan’ny An­koay, ao anatin’ny fanomanan-tena hiatrehana ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika “Afro­basket 2025”, izay nanomboka ny alatsinainy 7 jolay lasa teo. Ankoatra ny fampivondronana sy fanarazan-tena iraisana, lalao ara-pirahalahiana 4 no miandry ny ekipa malagasy, manomboka ny 11 jolay izao ao Frantsa. Hifandona amin’i Madagasi­kara voalohany, ny 11 sy 12 jolay izao, i Mali, i Congo ary i Cap Vert. Lalao izay hotontosaina ao Paris. Aorian’izay, hisy ny lalao fitsapana hafa hatrehan’ny Ankoay, hihaonana amin’ny ekipan’i Côte d’ivoire, izay hatao ao Paris Frantsa ihany. Raha ny fandaharam-potoana, nanomboka tamin’io alatsinainy 7 jolay ary haharitra hatramin’ny 25 jolay izao, ny fanomanan-tenan’ny Ankoay ao Frantsa.
Hitohy any Espagne

Aorian’ny fanomanan-tena ao Frantsa, hihazo an’i Espagne indray ny Ankoay hanohy ny fampivondronana, araka ny fandaharam-potoana navoakan’ny Federasionina malagasin’ny basikety. Ao amin’ny Ivontoerana Alqueria Del Basket an’ny Klioba Valencia Basket Club no hiatrika ny fanazaran-tena ara-teknika ny Malagasy mpilalao 14 mirahalahy miaraka amin’ny mpanazatra. Hisy ihany koa ny lalao ara-pirahalahiana roa hatrehan’izy ireo izay hihaonana amin’ny ekipa voafantina ao Valence, Espagne. Ny 25 jolay hatramin’ny 7 aogositra ny faharetan’ny fanomanan-tena ataon’ny Ankoay ao Espagne. Aorian’ izay, hihazo avy hatrany an’i Angola izy ireo.

Mi.Raz

Partager sur: