Fitantanam-panjakana : Mila mifameno ny hasina sy ny fahefana amin’ny fitondrana

Tokony ho ara-drariny sy ara-dalàna mandrakariva ny fitantanam-panjakana na ny fitondrana. Amin’izay, mitoetra ary maharitra ny fahamarinan-toerana. Mila mifameno ny hasina sy ny fahefana. Famakafakana…

Amin’ny ankapobeny, hasina no andikan’ny Malagasy ny hoe “autorité”. “Hery misy fahefana hanasoa na handresy, heverina ho misy ao amin’ny fanahy na olona na zavatra na toerana sasany ka mahatonga azy hohajaina, hankatoavina, hatahorana” (1). Misy, ohatra, ny hasin’ny ray aman-dreny amin’ny zanaka, ny hasin’ny sojabe na olobe amin’ny tanàna na ny mponina, ny hasin’ny mpanjaka na mpitondra amin’ny vahoaka… Amin’izao vanim-potoana izao, voalazan’ny mpandinika sasany fa azo amin’ny ara-drariny ny hoe hasina, ankoatra ny maha mety ifandovana azy. Omena ho an’ny olona izay mampiseho tsy fitoviana eo amin’ny soatoaviny sy ny fiteniny ary ny fitondran-tenany ny hasina. To teny izany: ankatoavina na ekena ny teniny, tanterahina ihany koa izay lazainy.
Azo amin’ny hoe ara-
dalàna ny fahefana

Ny fahefana kosa izay adika hoe “pouvoir” dia atolotra amin’ny alalan’ny famindrana na fandraisana azy, na amin’ny alalan’ny fifidianana, na rombahina amin’ny fanonganam-panjakana, ohatra. Mifototra amin’ny hoe ara-dalàna ny fahefana. Misy koa ny fijery na famaritana hafa toy ny hoe: raisina ho azo ny fahefana, ary amin’ny fitarihana na haitarika. Manondro ny fahalalana sy ny fahaizan’ny tsirairay izany. Mifanitsy amin’ny zo ho afa-mibaiko ny fahefana ary ankatoavina. Tafiditra ao anatin’izany ny hevitry ny maha ara-dalàna ny fahefana sy ny baiko ary ny fankatoavana. Mifandray akaiky amin’ny Tafika ny teny hoe baiko, ary mampahatsiahy ny fahazazana eo anatrehan’ny ray aman-dreny ny fankatoavana. Izay, ohatra, no mahatonga ny Malagasy mihevitra fa raiamandreny ny mpitondra. Koa ny maha samy hafa ny hasina sy ny fahefana dia hoe: manondro ny zo ara-drariny hitaona ny fihetsiky ny hafa ny hasina, ary milaza ny fahazoana mifehy ny fitondran-tenan’ny hafa ny fahefana.

Mety tsy miaraka ny hasina sy ny fahefana

Eo amin’ny fitantanana na fitondrana, saika tsy miaraka mandrakariva ny hasina sy ny fahefana. Mandeha ila aza izany amin’ny sehatra sasany. Manana hasina amin’ny zanany amin’ny alalan’ny torohevitra sy anatra, ohatra, ny ray aman-dreny niteraka, fa tsy manana fahefana hanery amin’ny fandrarana sy famaizana amin’izay fianarana na asa tiany hatao. Toy izany koa ny olobe na sojabe eo amin’ny tanàna: na manana hasina amin’ny fanoroana lalana aza, tsy manana fahefana hanery ny mponina amin’ny safidy politika na safidy amin’ny fifidianana, ohatra. Hafa, ohatra, ny fahefan’ny antoko politika fehezin’ny lalàna, manan-jo sy adidy hanery ny mpikambana amin’ny safidy politika, ary afa-manasazy na mandroaka izay tsy manatanteraka na manaja izany.

Efa azo an-tsaina amin’izay antoko politika izay, ohatra, ny amin’ny fahefana: azo amin’ny ara-dalàna, fifampitondrana, fifampifehezana… Na izany aza, raha misy ny manana hasina fa tsy manana fahefana, misy koa ny manana fahefana fa mety tsy manana hasina. Manana fahefana amin’ny mpikambana, ohatra, ny antoko politika na ny mpitarika izany toy ny birao politika, fa mety tsy manana hasina noho ny fifampitondrana tsy mazava na tsy voahaja: misy, ohatra, teniko fe (fa hoe) lehibe, na tsy misy ny hoe teny midina ifampierana sy teny miakatra ifampifehezana. Toy izany koa ny mpitondra fanjakana amina Repoblika, manana fahefana fa tsy manana hasina na tsy asian’ny vahoaka hasina noho ny jadona, fanonganam-panjakana, tsy manaja na tsy manatanteraka teny omena, manao kolikoly… Tsy to teny amin’ny vahoaka izany.

Misy ny fisaraham-pahefana

Amin’ny sata repoblikanina, ny Fahefana dia: “Voalohany, fahaizana ara-dalàna hampihatra ny fahaiza-manao. Faharoa, ny fahazoana mandray fanapahan-kevitra azo ampiharina, ny fahefana dia andraikitry ny Fanjakana. Fahatelo, ny fahefana dia manondro ny rafitra mitana ny asa sosialy mifanaraka amin’izany. Amin’io lafiny io, ny fahefana mpanatanteraka dia ny governemanta, ny fahefana mpanao lalàna dia manondro ny Parlemanta, ny fahefana ara-pitsarana dia ny fitsarana sy ny tribonaly”. (2)
Raha fehezina: “Ny fahefana dia mamintina ireo andrimpanjakana sy fitaovana miantoka ny faneken’ny olom-pirenena amin’ny Fanjakana iray. Ny fahefana dia mametraka ny fiandrianampirenena, ny endriky ny lalàna, ny firaisan’ny fanjakazakana, saingy endrika farany ihany ireo”. (3)

Mila mifameno ny hasina sy ny fahefana

Fampandrosoana ny firenena sy fanatsarana ny fiainam-bahoaka no antom-pisian’ny fitondram-panjakana izay mampiasa fahefana ho amin’izay: ny mpitondra no manjaka dia ny vahoaka. Amin’ny firenena repoblikanina, ny vahoaka no loharanom-pahefana amin’ny alalan’ny fifidianana. Na ny hoe ara-dalàna. Ary ny loharanon’ny hasina? Mian­kina amin’izay te haka fahefana na hitondra fanjakana: manana ny hoe ara-drariny ve, ohatra? Mendrika hitondra, akaiky sy tian’ny vahoaka, mahalala sy mihaino ny vahoaka… Mila mifameno amin’ny fitantanam-panjakana ny hasina sy fahefana hisian’ny fifampitokisana eo amin’ny vahoaka sy ny mpitondra, ny fahamarin-toerana azo antoka sy maharitra, ahazoana mandeha haingana sy mora kokoa amin’ny fampandrosoana…
Tsy manana na tsy misy hasina, ohatra, ny fanjakana na mpitondra fanjakana manao jadona, tsy mahatanteraka izay lazainy, manao kolikoly, manavakavaka… Ao anatin’izany ny fitondram-panjakana azo tamin’ny fanongonam-panjakana, hala-bato sy hosoka tamin’ny fifidianana, famadihana tanindrazana…

R. Nd.

Partager sur: