Jiolahy ikoizana : rotiky ny balan’ny zandary i Lemana na Ravazaha

Maty voatifitry ny zandary ny jiolahy raindahiny tamin’ny fanafihana mitam-piadiana fantatra amin’ny anarana hoe i Lemana na Ravazaha tao Andranomadio Toamasina parsela 11/42 sy 11/43, omaly. Jiolahy ikoizana tamin’ny fanafihana mitam-piadiana sy vonoan’olona Ravazaha, na­mana akaiky an-dRasiha­naka. Nirefodrefotra vao maraina ny basy tao Andranomadio nandritra ny hetsika nataon’ny zandary tamin’ny fanenjehana ity jiolahy raindahiny ity. Araka ny fanazavan’ny kaomandin’ny kaompania Toa­masina, ny Kapiteny Tela Jo­sephin, voasambotra tao an-tranony ao Andranomadio izy tamin’ny 4 ora maraina. Natao ny famotorana savaranonando azy momba ireo fitaovam-piadiana any aminy. Naveziveziny ireo zandary, momba ny toerana misy ny olona manana io fitaovam-piadiana fampiasany io. Nandritra izany anefa, nikasa hitsoaka tampoka izy ka voatery tsy maintsy nitifitra azy ny zandary. Vokany, maty tsy tra-drano izy. Nohamafisin’ny Kapiteny Tela Josephin hatrany fa anisan’ny mampiavaka ity jiolahy raindahiny ity ny tsy maintsy mamono olona rehefa manafika. Nisento tokana indray, araka izany, ny mponina ao Toamasina II amin’izao nahafaty ity jiolahy raindahiny ity izao.

Sajo/Jean Claude

Partager sur: