Ranolava ny fanehoan-kevitra ny amin’ny toriteny tamin’ny fanompoam-pivavahana nitondrana amim-bavaka ny filohan’ny FJKM sy ny ankohonany ary ny taom-piasana 2023, teny amin’ny Coliseum, Antsonjombe, ny 15 janoary. Voateny tamin’izany ny momba ny hala-bato amin’ny fifidianana, ohatra, ny Tafika, ny fitananam-bola…
Raisina toy ny fahavalo avy any ivelany ireo manana fisainana fa tsy ilaina ny Tafika, raha ny nambaran’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, manoloana ny fanambaniana izany. Mbola olom-pirenena ve izany? Manana andraikitra amin’ny fiarovana ny fiandrianam-pirenena sy ny fahaleovantena ary ny vahoaka sy ny fananany ny Tafika.
Miantso ny fikambanana sy ny antoko politika ary ny antokom-pinoana na fiangonana rehetra misy eto amin’ny tany sy ny fanjakana ny minisitry ny Atitany. Mila mifanome tanana ary manentana ny manodidina azy sy ny vahoaka amin’ny fametrahana filaminana sy fitoniana izy ireo, indrindra amin’ny fanajana ny soatoavina malagasy.
Rehefa ankatoky ny fifidianana toy izao, mihamaro ary mitombo ny sain’ny mpanakorontana, araka ny fanazavan’ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola. Tsy marina ary tsy misy ny hoe karaman’ny mpiasam-panjakana tapaka, araka ny resaka mandeha. Na inona na inona misy eto amin’ny firenena, tsy maintsy lohalaharana ny karama.
Amin’izany rehetra izany, nandalo ny rivodoza Cheneso izay nandravarava tany amin’ny tapany avaratr’i Madagasikara: traboina anarivony, voly tondraky ny rano, fotodrafitrasa simba… Rivodoza mety manimba zavatra maro koa ny karazana fifandroritana noho ny tsy fitovian-kevitra, ny tsaho, ny tsy fitoniana, ny fifampiahiahiana… ?
R. Nd.